Pejy vaovao !

Azo lazaina ho nikatona omaly


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

14 oktobra ny pejin’ny Fitondrana Rajoelina

izay nofy ratsy ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy nandritra ny 16 taona. Asa na fifandrifiana na ahoana, fa nifanindran-dalana tamin’ny faha-67 taona katroka nitsanganan’ny Repoblika Malagasy. Ny ho avy izao no tena mila banjinina, saingy mila hanatsoahana lesona mba tsy hiverenan’ny fahadisoana intsony. Kodiaran-tsarety ihany koa ny politika, tsy misy maharesy herim-bahoaka, tsy misy vahoaka azo laingana sy foretina am-polo taonany, tsy hisy tafi-bahoaka hinia hikipy mandrakizay ka hitazam-potsiny ny famotehan’ny mpitondra mandalo ny Fireneny, tsy azo refesina amin’ny vola sy ny basy na ny herin’ny famoretana ny tanjaka politika, tsy voatery hahomby sy handaitra mandrakizay ny famafazan-dainga sy kitolotolotra hanjonoana olona,… Tsy misy fitantanana hahomby sy firenena handroso ao anaty fanodinkodinana na fakana an-keriny ny safidim-bahoaka, ary tsy misy vahoaka azo terena ho tia sy hitehaka ny mpitondra mampisotro tangena azy,… Mety mbola handeha ny tsipaky ny miala aina satria olona tsy mba hanaiky diso sy misora-tena ho marina lalandava ary manao serasera ho lasibatra na « victime » foana handonana ny fon’ny olom-pirenena no resaka, hany ka na efa izy izao aza no mampidaroka baomba mandatsa-dranomaso mahafaty zaza tsy manan-tsiny dia tsy izy no diso fa ny hafa. Tsy resaka fankahana, fa afa-doza ny Malagasy afaka teo anatrehan’ny mpitondra minia jamba sy marenina, ary mihevitra ny valalabemandry ho bado sy azo foretina mandavan-taona. Dingana iray no vita, fa mbola henjana ny zavatra miandry ny rehetra. Fotoana izao hametrahana ny fototry ny fanovana tena izy, mba tena hitondra fivoarana ho an’ny vahoaka sy ny Firenena. Mety tsy hisy ny fahagagana eo noho eo, kanefa fotoana izao hanamboaran’ny samy Malagasy ity Firenena ity. Ho lasan’izay anie ny ratsy rehetra fa andao hiarahisalahy hanarina an’ity Madagasikara ity, ka hiezaka hikatsaka ny soa iombonan’ny samy Malagasy, fa tsy hanjakazakan’ny tompomenakelin’ny mpanjanan-tany lava eto ! Afaka mandroso sy mivoatra ny Firenena, manana ny herijaka samihafa, afaka mahavita zavatra ny Malagasy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT