Edito

Paradisan’ny Gaboraraka


  • Alatsinainy 13 Jona 2016

Tena be loatra ny tsy ny fandraisan’andraikitra eto Madagasikara. Azo hanaporofoana izany ny korontana nitranga teny Antsonjombe sy Analamahitsy taorian’ilay fampisehoana tsy nandoavam-bola omaly hariva.

Mazava fa tandrametaka ny fikarakarana, vita ny hetsika dia samy nody tsy nisy nieritreritra izay mety hitranga intsony kanjo nisavorovoro ny tanàna avy eo.Tsy afa-miala amin’iny ny mpikarakara izay azo antoka fa hanazava misimisy kokoa ny zava-nitranga marina. Fa an-kilan’izay tsy afaka miala bala ihany koa ny manampahefana isan-tsokajiny satria tsy maintsy nahazo alalana ilay mpikarakara ary misy fepetra tsy maintsy arahana izay vao azo io alalana io. Voahaja marina anefa ve ny fepetra ? Tranga iray ihany iny, tsy sanatria manamaivana ny horohoron-tsaina nahazo ny olona teny Analamahitsy sy ireo zavatra simba, fa mbola zava-doza lavitra noho iny ilay hoe efa herinandro no fantatra fa misy sambo maka boaderozy tany amin’iny morontsiraka atsinanana iny, nambara fa alefa ny elikoptera sy sambo haingam-pandeha, ny sarin’ilay sambo be mampiakatra hazo saorobidy aza efa azo…Saingy lasa ihany ilay sambo e ! Na ny ankizy mpianatra aza efa mahalala hoe miasa ny malety feno vola ao amin’ny antenimieram-pirenena ao, saingy miesona ny mpanara-maso, hanokatra fanadihadiana izahay hoy ny Bianco, dia mijanona eo ny resaka. Iza no tsy mahalala ny trafika sy fandefasana entana an-tsokosoko ao amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ao ? Ny olona sahy mila marina indray no lazaina fa mirediredy. Sao dia mba fanapotehana aza no atao eto fa sy fampandrosoana e !

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT