Edito

Papelika sy voatango


  • Talata 07 Aogositra 2018

Na ny fomba fiteny “misora-tena toa voatango” na “midoka tena toy ny papelika” dia entin’ny Ntaolo Malagasy nanaovana fanoharana ilazana ny olona mpirehareha.


Fahizay, olon’ny fanetrentena ny razantsika ary henatra teo amin’ny fiarahamonina Malagasy ny misora-tena sy midoka tena. Ankehitriny, ireo efa nitonona ho kandida ho filoham-pirenena dia ao no tsy menatra akory fa izy sy ny ekipany no manam-panahy. Ny sasany indray dia milaza fa bandy kely na boay kely tsotra. Ny mitonon-tena ho izy tenany no vahaolana dia saika miseho amin’ny endriny maro mihitsy. Soa ihany fa mbola manana 3 volana ny mpifidy hahafahany mieritreritra tsara izay tena hofidiany sy mahalala tsara ny toe-piarahamonina sy ny kolontsaina ary foto-pisainan’ny Malagasy nifandovana sy izay mbola mitoetra ankehitriny. Misy lafiny mahatsara azy ny fisian’ireo mpangalatra depara efa maromaro ahafahana mitaratra sahady fa ho mpitondra Hendry sy mikatsaka fihavanana sy fampandrosoana hiverina tokoa ve izy ireny sa mbola mitetika hanao ronono an-tavy sy kobaka am-bava indray ? Ho toy ny papelika sy voatango hatramin’ny farany ve ka handoka tena hatrany sa mba hisy hahandry ny fandokafan’ny manodidina sy ny mpomba azy kosa ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT