Edito

Paikady


  • Talata 10 Mey 2016

Zava-dehibe foana ao amina firenena iray ny fitsidihana ara-pomba ofisialy ataon’ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana izany.


Karazana fandresena ara-diplaomatikan’ilay fitondrana mijoro mantsy izany ary azo itarina sy abontsina fa efa tena manaiky antsika ny sehatra iraisam-pirenena, misy ny fitoniana ara-politika taorian’ny fahavitan’ny fifidianana isan’ambaratongany, ho avy amin’izay ny famatsiam-bola goavana. Miezaka ny manao serasera manatsara endrika hatrany ny asa vitany ilay fitondram-panjakana.Hafa mihitsy anefa ny zava-misy iainan’ny vahoaka isan’andro toy ny tsy fahampiam-bola, fahasahiranana, fitaintainana, savorovoro, herisetra, tsy fifampatokisana, fanambakana, didin’ny be sandry…Mahantra ny Malagasy kanefa firenena manankarena i Madagasikara. Mazava eto fa olom-bitsy no mifehy io harena io ary tsy nahomby ny fitantanana nataon’ny fanjakana matoa mijaly ny vahoaka. Asa izay fifandresen-dahatra natao tany aloha tany ka mahatonga an’Atoa Ban Ki Moon eto Madagasikara. Moa ve izy hipasoka ny efa malama ka handokadoka ny fitondrana HVM , sa ve hibedy sy hanome lesona sa hanao inona marina ?Resaka mbola mafana mantsy ny « iles éparses », ny fitrandrahana solika sy etona (gaz) eto Madagasikara. Mangotraka be ny trafika isan-karazany toy ny volamena, sokatra, boaderozy.    Fifandrifian-javatra fotsiny amin’ny handehanan’ny filoha Rajaonarimampianina atsy ho atsy any Singapour ve izao sa drafitra efa vita mialoha ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT