Edito

Ozona sa fandraikiraikena ?


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Mahagaga ihany ny fihetsiky ny Malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny. Niakatra avo roa heny ny vidim-bary fa tsy nahataitra azy.

Nihoatra izany ny fiakaran’ny jiro sy rano fa tsy nahataitra. Miakatra koa ny solika fa tsy taitra. Tsy miakatra ny karama. Ny an’ny sasany aza nidina na tsy nomena intsony mihitsy fa tsy taitra. Aiza ho aiza amin’izao ny tamin’ny taona 2009 raha narentinrenty fotsiny ny loko volomboasary ary nolazaina fa mpanao jadona ny mpitondra tamin’izany raha sendra nisolifatra kely ? Tonga dia takona tampoka daholo ireo lalana an-kilaometatra maro vita rehetra sy ny fahalalahan’ny vokatry ny tantsaha mifamezivezy manerana ny faritra ary ny fidinan’ny taham-pahantrana fa dia andao hoesorina any io fa efa iny ny « bogosy » hasolo azy. Ninia nikipy na dia efa hita izao fa efa tsy manara-dalàna intsony aza ny zava-miseho. Mba lojika ve ny hoe mialoha ny ipitsihana vavahady dia nivavaka ? Ilaina sy maha vanona ny manara-dalàna saingy moa va manara-dalàna isika ankehitriny ? Tsy sanatria mihantsy hikomy akory fa dia tokony hipetra-potsiny koa ve anefa ? Ozona sa fandraikiraikena no manjo ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT