Edito

«Oui m’se»


  • Alarobia 31 Martsa 2010


Ho avy ny fisamborana. Hampiasa ny fahefana eo am-pelatanany ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanatanterahana izany, vokatry ny zava-nitranga teo Ambohijatovo ny andron’ny 29 martsa, izay nanondroana ny ankolafy telo ho tsy nanaja raiamandreny. Ady tamin’ny mpanjanatany frantsay sy ireo saribakoliny no nataon’ny tia tanindrazana, ary namoizany aina, 63 taona lasa izay. Asa na kisendrasendra na mahatsiaro voatohintohina ao anatin’izany ny Frantsay, ka mikoropaka nandefa iraka aty Madagasikara, dia i André Parant, ambasadaoro frantsay taloha tany Liban ary tanan’ankavanan’i Nicolas Sarkozy, mpanolotsainy misahana ny raharaha afrikanina ka nanomezan’ny sasany anaram-bositra azy hoe : «Mr Afrique», miara-dia, raha tsy nisy ny fiovana, amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, Alain Joyandet, izay efa matetika ihany no tonga teto Madagasikara tao anatin’izao krizy izao.

Tsy nandrenesam-peo amin’ny fahatongavan’ireto Frantsay ireto eto Madagasikara ny eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ny azo antoka aza dia ny hanao «oui m’se» no hasetriny amin’izay rehetra hataon’izy ireo eto. Mila haverina etoana ve ny nitranga nandritra ny dinika rehetra nikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy na tany Maputo na ny tany Addis Abeba, ka tsy nahatafatombina ireo iraka frantsay nanaraka akaiky izany dinika izany fa mivezika atsy miverina aroa mitety sy mandresy lahatra ireo filohana ankolafy, ankoatra ny ankolafy Ravalomanana, mba hampanjakana ny drafitra frantsay amin’ny famahana ny krizy saingy tsy tafita izany. Raha ny GIC anefa no tonga, dia hitabataba amin’ny feo avo hatreny an-tafontrano sy ny haino amanjery indray ny eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nilaza fa firenena mahaleo tena i Madagasikara, raharaha tokantranon’ny samy Malagasy ity, ka avelao handaminanay azy fa aza itsabahanareo vahiny. Izay angamba no nanaovan’ny Tanora malaGasy Vonona, antokon’i Andry Rajoelina, antso hamondronana ny tanora hanao fifanarahana hanorenana fiarahamonina tsy misy romoromo. Asa indray aloha izay hojonoina amin’izany, fa betsaka koa izay niantsoana ny tanora teto sy nanaovana fifanarahana izay fa tsy nohajaina akory.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT