Nangalatra volabe ny filoha hividianana ny “Air Force One”, hoy i Andry Rajoelina teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny janoary 2009. Dia hoy ary ry zareo hoe hamidy ny “Air Force One II” ary hozaraina amin’ny Malagasy ny vola azo amin’izany. Efa nilaza mazava anefa ny tomponandraikitra teo aloha fa ilaina hamitan’ny filoha iraka eran’izao tontonlo izao hitadiavam-bola hampandrosoana an’i Madagasikara sy hampivoarana ny fiainan’ny Malgasy io fiaramanidina raitra io, amin’izay tsy voatana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar fa afaka mampidi-bola amin’ny fitaterana ny mpandeha. Ankoatra ny fialonana dia tsy nanaiky izany mihitsy i Andry Rajoelina sy ny namany ary ireo mpanao politika sakaizan’ny mpandresy niara-dia taminy. Inona anefa ny zava-misy nony avy norombahin’izy ireo an-keriny ny fitondrana ? Nampiasa ny fiaramanidin’ny Air Madagascar i Andry Rajoelina ka nanodina izany nankany Dakar (Sénégal) raha tokony hihazo an’i Paris.
Maty antoka mafy ny orinasam-pitaterana Air Madagascar ary ny mpandeha tsy afaka nampiasa ny sidina ara-dalàna. Nony hitany fa tsy nety izany dia nanofa “jet-privé” ana Karana izy ka io no nentiny namonjy ireny fivoriana tany Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria ireny. Arahina olona maro izy ireny ary andaniana volabe tokoa. Nokianina mafy koa ny filoha Ravalomanana fa nanampi-bava tao amin’ny RNM sy ny TVM. Raha misy anefa ny sonia nanamarika ny fahatongan’ny FAT dia fahamaizan’ny RNM sy ny TVM, ny naha kila hotohoto ny MBS narahin’ny fanakatonana ny radio Mada sy ny radio Fahazavana an’ny fiangonana FJKM ary fampidirana am-ponja ny mpanao gazety, izay zavatra tsy nisy mihitsy teo amin’ny fitondrana Ravalomanana. Manizingizina anefa ny FAT sy ny mpanohana azy fa malalaka ny mpanao gazety eto Madagasikara, nefa dia herisetra, horohoro ary fandrahonana no betsaka, atao amin’ny mpanao gazety. Ary mandrak’ity ny anio mbola misy mpanao gazety enina be izao any am-ponja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.