Edito

Ory kolontsaina


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Saham-piheverana vokarin’ny kolontsaina fa tsy Voajanahary akory ny atao hoe Hasina, hoy ny mpandinika iray omaly.

 

 

 

Toy ny milaza izany fa tsy misy idiran’ny resaka finoanoam-poana akory ny resaka momban’ny hasin’ireo vakoka sy toerana manan-tantara. Toy izany koa ny resaka fady amin’ny teny hoe manota fady. Fanaon’ny malagasy rahateo ny miteny hoe azafady, izay mifototra amin’izany teny hoe fady izany, rehefa nahatsiaro nanao ny tsy mety na voatery hanao ny tsy fanao toy ny mandingana raiamandreny. Taratra izany fa ory kolontsaina loatra isika ka lasa tery saina tsy hahay afa-tsy ny hivoy fa tsy misy manohitra izay tetikasan’ny fitondrana heverina ho fady ankoatran’ireo heverina ho mpanohitra azy. Vitsy lavitra nohon’ny lakolosy fanairan’ireo mpisehatra sy mpandala ary mpahalala ny atao hoe vakoka sy ny tontolony angamba no nataon’ireo mpanao politika heverina ho mpanohitra mikasika izay fikitihan’izao fitondrana izao izay vakoka izay tao anatin’ny 10 taona. Sa tokoa ve, averina ihany, hoe fanakonana na “diversion” manoloana ireo tsy fihetezan-javatra miseho na fiahiahiana amin’ny fitantanana ny ahamehana ara-pahasalamana eto amintsika koa ny niniana handrangitana hatrany ity resaka rova ity tampoka teo? Tsy maninona fa dia aleo tokoa angaha hisongadina ny adihevitra mba ho taitra ny hambom-pon’ireo mbola tonga saina fa raha sanatria tsy mitandrina dia hanaiky hatrany izay manan-kasiny ho vetavetaina? Mikasika ilay raharaha momban’ny tambavy teo moa dia isan’ny nanaitra omaly koa ny nilazan’ny antoko politika iray fa efa mandindon-doza amin’ny maha olona mihitsy ilay izy satria dia mitady ho hiharam-panandramana eo amin’ny toeran-java-manan’aina hafa foana izany ny vahoaka malagasy ka asakasany, hoy ilay fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT