Edito

Oran’ny marina


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Anisan’ny raharaha goavana naneho ny fidadasiky ny gaboraraka ao amin’ny

 

 

 

fitantanana ny sisintanintsika ao tamin’ity taona ity ny mikasika ilay raharaha volamena 73 kilao mahery. Mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao moa hoe 73,5 sa 73,7 kilao ilay izy? Sanatria mbola mihoatra ireo tarehimarika ireo aza ve? Heverina fa amin’ity anio ity no higadonan’ny oran’ny marina momba izany rehetra izany ao Afrika atsimo ao. Inoan’ireo mpanara-baovao ihany koa fa hivoaka amin’ity anio ity ny anaran’ireo tena trondro vaventy fanetriben’ny firenena mahatonga ny harem-pirenena ho tantely afa-drakotra tahaka itony. Hatreto volamena ihany no ifantohan’ny resaka fa tsy nisy ritsoka re mihitsy momba ireo hoe vola vahiny matevitevina ihany nentin’ireo mpanao trafika niaraka tamin’ireo volamena.Iny efa nivoaka ny zoma iny ihany koa ny didy fampikarohana olona 7 hafa indray ambara fa tafiditra mivantana anatin’ny tambajotra.Hita ho misy fivoarany ny toe-draharaha, ary manantena ny rehetra fa hiteny ny marina, ary misy mety efa niteny..ireo atao fanadihadiana sy alaina am-bavany ka hilaza ny tena marina.Iza no goavana ao ambadiky ny trafika tahaka izao ? Any Afrika atsimo indray aloha ny maso amin’ity anio ity e .

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT