Edito

Omby mialoha sarety


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Maloka sy nanjombona ny andro teto Antananarivo sy ny manodidina vantany vao nanomboka ity taona vaovao ity.

 Ao ny milaza fa noho ny antony ara-toetr’andro no mahatonga izany. Efa miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoan’ny rivodoza mantsy isika izao ary misy mihitsy ny andro ratsy any amin’ny ilany atsinanan’ny nosy any. Ao koa anefa ireo mieritreritra sy mandinika fa efa fambara ny zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena, indrindra fa ho an’ny mpitondra fanjakana izao toetr’andro maloka sy merika isan’andro izao. Ireo ambara fa manana fahitana na afaka mamantatra ny hoavy moa dia efa nisy nilaza fa hisy tondra-drano, hono, eto Antananarivo amin’ity 2012 ity satria hiakatra avo dia avo ireo renirano ary ho vaky ny fefiloha. Mifampitohy amin’izay dia ao koa ireo milaza fa fambara ratsy ho an’ny mpitondra fanjakana ny fisian’ny tondra-drano eto amin’ny firenena, na aiza na aiza faritra hitrangany.

Mety ho fomba fijery izany, mety ho vokatry ny fandinihana ny tantaran’ny firenena, mety ho finonoam-poana ihany koa, hoy ny sasany, kanefa mety lôjikan-javatra ihany, raha halalinina tsara ny zava-niseho rehetra teto Madagasikara tato anatin’ny telo taona. Diso fanantenana tamin’i Andry Rajoelina ny ankamaroan’ireo nanohana azy, ireo nisalasala moa tonga dia tsy resy lahatra intsony, ireo mpomba lasa mpanohitra ary izay nanohitra azy dia vao miha nanamafy ny fanoherany. Noho izany dia tsy nandroso fa nihemotra ny firenena. Ny mitondra fotsiny no nisolo sy niova fa raha ny fiainam-bahoaka vao mainka aza niha ratsy kokoa noho ny tamin’ny fitondrana Ravalomanana.

Be loatra ireo tsy fahaiza-miasa sy tandrevaka ary fanararaotam-pahefana nataon’ny FAT teto, lasa raharaham-pianakaviana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, izay akamakama ihany no tafita. Natao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny raharaha politika tsy voalamina akory, dia efa mipoitra indray ny fitakian’ny sendika isan-karazany. Mimenomenona noho ny fampisondrotana galona tsy manara-penitra ny any anaty lakazerina any, mikorontana ny ao ambonimbony ao satria toa samy miady ho lohany. Manomboka mametraka ny fahefany ihany koa ny praiminisitra ary mibaribary fa mangatsiaka ny fifandraisany amin’ny filohan’ny tetezamita. Mazava ny resaka eto : tsy mbola tanteraka araka ny tokony ho izy ny fiaraha-mitantana, mikatso ny raharaha satria ny omby no nalefa mialoha ny sarety ! Fifamelana sy fampihavanana aloha no tokony hatao. Havoaka ny gadra politika rehetra, avela mody an-kalalahaha ireo sesitany, sokafana ireo haino aman-jery nakatona, atomboka ny fampihavanam-pirenena, izay vao miresaka zavatra hafa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT