Ombay mitady ny olompirenena!

Mimenomenona ao amin’ny Facebook,


  • Zoma 04 Jolay 2025

hoy ilay mpanao politika malaza izay, «et ça s’arrête là » na hoe hatreo ihany.

Izay izany amin’izao fotoana izao no atao hoe malagasy ankehitriny ao anatin’izao fivoaran’ny tekinolojia izao. Ny tsikaritra matetika aza dia toa lasa mivadika ho somongamonga sy vazivazy daholo, fara-faha tomponandraikitra vazivazy zaritenany, hatramin’ireo lohahevitra na «sujet» heverina fa mahakasika ny aim-pirenena na ny fiainam-pirenena eto amin’ity Madagasikara ity. Tsy ny eny amin’ireny tambazotran-tserasera na tambazotram-piarahamonina na hoe «réseau sociaux» ireny ihany fa amin’ny fiainam-piarahamonina hita an-davan’andro mihitsy aza dia toa malagasy tsy voakasika na hoe tsy «concerné» amin’ny fiainam-pireneny intsony no matetika tazana? Miresaka ianao politika dia maro ireo milaza fa tsy miditra amin’ny resaka politika, tsy manao politika, leo politika. Miresaka ianao mikasika ireo nosy manodidina izay lazaina fa hiadian’ireo delegasionina lasa any Paris amin’izao dia hoy ny sasany hoe «Tsy misy idiranay izay!», «Izay ifanjevoan-drizareo any!», «Resaka tsy hihinanan-kanina izany!». Na inona na inona amin’izao fotoana izao resahina amin’ny sarambabem-bahoaka ka mahakasika ity firenena ity dia ny ho hanina androany tadiavina androany no avaliny azy. Mazava ho azy fa tsy ao an-tsainy intsony no dikan’izany ny hoe hanao ahoana izany ity Madagasikara ity sy ireo taranaka ifandimby eto afaka 10, 20, 50 taona? Miady ho an’ny taniny ny ao Sakatia na Mitsio satria efa mandindona ny fakàna an-keriny ireo taniny. Ny aty amin’ireo faritra hafa kosa mitazana sy gaga aza ny sasany hoe «hay ve misy an’izany e!?». Ireo mpisehatra politika samihafa toy ny antoko politika na fiarahamonim-pirenena, eny, mpitondra fivavahana sy raiamandreny mba miteny ny heverina fa tsy mety eto amin’ity firenena ity indray ankehitriny no lasa raisina ho toy ny adala. Mbola misy ve ny olompirenena tomponandraikitra eto? Mbola misy ve ny olompirenena tia an’ity heverina fa firenena ity? Eny, mbola misy ve ny olompirenena? Ny tsikaritra tsinona tato ho ato dia lasa ombay mitady ny olompirenena!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT