Edito

Omaly ho rahampitso ihany


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Kely ny fanantenana raha hisy ny fiovana eto amin’ity firenena ity rehefa mijery ireo fihetsika politika miseho eto amin’ny firenena manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Lojika ho an’ny mpanohitra ny fitondrana ny manameloka ny zava-nitranga tany Ikongo. Ny olon-tsotra, fiarahamonim-pirenena, mpandinika samihafa aza manao izany ka mainka moa fa izy ireo. Hatramin’ny eo anivon’ireo heverina fa raiamandreny eto amin’ny firenena toy ny FFKM sy CFM no efa miantso tsy misy fiafarany ny amin’ny tokony hisiana fifanatonana sy fifampiresahan’ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena saingy ny eo anivon’ny fitondrana sy ireo mpanohana azy kosa etsy ankilany dia midera ny filoham-pirenena hatrany toy ireny any amin’ny firenena sy tany tsy nisy fifandonan’ny mpiray firenena ireny no nataony omaly. Miasa ny fitondrana, hoy izy ireo. Betsaka ny fotodrafitrasa vita. Mandeha ny ezaka fampandriana fahalemana. Mandeha ny fitsinjovana ny asa sosialy toy ny vatsy tsinjo, kaly tsinjo, sy ny tsinjotsinjo rehetra, hoy ilay mpandinika iray izay. Toy izany foana no politikan-tseraseran’ny fitondram-panjakana. Ny fifidianana ihany, hoy izy ireo, no vahaolana. Ny dikan’izany dia resaky ny moana sy ny marenina izany ny an’ny fitondrana sy ireo mpiaradia aminy amin’ireo ivelan’ny fitondrana fa tsy hoe amin’ireo mpanohitra ihany. Hihenjana hatramin’ny farany izany ny tady, raha ny tontolo iainana politika hita hatreto aloha. Ny any anaty fitondrana fifidianana no hirahiraina. Ny an’ny ivelany kosa fikaonandoha satria hoe na izany fifidianana izany aza tsy azo antoka toy ny efa nisy hatramin’izay ihany ny fahadiovany. Omaly ho rahampitso ihany aloha araka izany no mbola mandindona ny hoavin’ity firenena ity. Mbola ahiana hiverina ny tantara.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT