Edito

Olona no olana


  • Talata 12 Desambra 2017

Rafitra, rafitra, rafitra ! Izay hatrany no tanisaina fa mahatonga ny tsy fetezan-javatra rehetra eto. Mila manova rafitra isika na koa hoe mila fanorenana ifotony mihitsy ity firenena ity.


 Izany hatrany no notanisaina teto tao anatin’izao fitondram-panjakana izao ary saika samy nilaza izany avokoa na ny mpitondra na ireo mpanohitra azy. Mety ho marina tokoa izany ka maninona ary no tsy atomboka ? Inona no sakana sa hoe iza no sakana ? Dia tanisaina lalandava koa ny hoe mila fahatongavan-tsainan’ny tsirairay. Mila mandray ny andraikiny ny tsirairay saingy ny fanontaniana mipetraka koa hatramin’izao dia hoe maninona no tsy mety tonga saina ny olona tsirairay ? Maninona no tsy mety mandray andraikitra ? Rehefa tena nozohiana ny fihodin’ny tantara dia hay tsy misy atokisan’ny vahoaka intsony ireo mpitarika tazany milaza ireo hevi-baventy ireo.  In’efatra nandalo tolona nametrahana olona niriany sy tena natokisany hitarika azy ho any amin’ny tsara kokoa sy ny fampandrosoana ny Malagasy saingy natetika no diso fanantenana ka tsy mahagaga raha mailo amin’izay kosa. Mety olana tokoa ny rafitra fa iza kosa ary ny olona tena azon’ny ety ifotony antoka hapetraka hametraka ilay rafitra tena mety eto ? Eo izao no olana satria ilay olona mihitsy kay no olana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT