Edito

Olona hiteraka olana !


  • Talata 15 Martsa 2011


Efa hatramin’ny nahavitan’ny Maputo II tamin’ny Oktobra 2009 no nilaza i Andry Rajoelina fa tsy afaka hiandry intsony izay adihevitra sy ady seza ary fitadiavana voninahitra ataon’ny sasany fa tsy maintsy miroso amin’izay ny fananganana ny tetezamita izay hikarakara ny fifidianana sy ny fiampitana any amin’ny Repoblika faha IV ary hametraka ny fanovana ho amin’ny tsara kokoa ny fiainana eto. Na aiza na aiza, hoy izy teny Ivato misy fanafody mahasitrana an’i Madagasikara dia vonona ny tenako ny hitady izany. Dila ihany anefa izay ny roa taona, tsy mbola hita ny tena fanovana teto, toa nijanona ho kabary fampanantenana fotsiny ny an’ireo manampahefana fa tsy nety nivaha ny krizy.

Fanaon’ny FAT moa ny manilika foana ny tsy fahaizany miasa any amin’ny hafa, ka nambara fa manohy hatrany ny asa fanakorontanana ireo filoha teo aloha, na dia tsy eto an-tanindrazana aza. Tsy maintsy mahita tetika sy paika hanapenam-bava ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita, saingy mihisatra mitady vahaolana mba tsy hanaovan’ny Malagasy sakafo ambany foitra dia ambara fa tsy azo ekena foana ny soso-kevitry ny hafa, fa ny an’ny tena ihany no tadiavina hoeken’ny rehetra. Ny fanendrena praiminisitry ny marimaritra iraisana indray moa izao no lamaody sy mahoraka eran’ny tanàna, koa dia samy miandry indray ny rehetra hoe raha hotendrena marina amin’ity herinandro ity izy io dia hanao ahoana ary hitondra inona amin’ny fiainam-pirenena.

Mahasadaikatra ihany moa ny hiteny hoe hivaha avy hatrany krizy raha vao voatendry io praiminisitra io ka hanangana ny governemantany, satria tsy ny fananganana rafitra mihitsy no mahavaha ny olana fa ny fifanomezan-tanana amin’ny asa rehetra atao ao anatin’izany rafitra izany ary ny faharesen-dahatry ny maro fa mety amin’ny tanjona hotratrarina io. Tsy maintsy misy foana moa ny manakiana sy tsy manaiky izay zava-misy eo, saingy tsy midika izany hoe tsy horaisina mihitsy ny fanakianana sy ny soso-kevitry ny hafa. Hita ho nampitarazoka ny famahana ny krizy teto amintsika ny fizirizirian’ny ankolafy Rajoelina hampanjaka ny heviny, na iza tsy faly na iza tezitra.

Tena izay tian’ity ankolafy ity no natao teto amin’ny firenena tato anatin’ny roa taona izao, ary izay miseho manohitra izany dia any am-ponja na mivezivezy eny amin’ny fitsarana na ampiatoana amin’ny asany. Ireo tsy mahari-pery sy marivo salosana moa dia nisafidy avy hatrany ny hanangana saina fotsy ka raha niseho ho mahery fomba fiteny nanohitra ny FAT hatramin’izay, tampotampoka eo dia mazoto ny hiditra ao amin’ny tetezamita. Mihodinkodina toy ny tandrimo ny toe-draharaha eto fa tsy misy ny dingana lehibe vita, mitovy tanteraka amin’ny nampikatso ny dinika tany Maputo II ny raharaha amin’izao fotoana, satria manomboka miseho ny ady seza ; ny toeran’ny praiminisitra no miteraka ady hevitra izao, fa mbola zavatra hafa rehetra ho avy ny fanendrena minisitra sy mpikambana ao amin’ny Parlemanta. Azo antoka fa hijoro miaraka amin’ireo andrim-panjakana amin’ny endriny vaovao ireo indray ny vondron’ny antoko politika tsy nahazo seza, dia hivory etsy sy eroa indray dia hanolotra soso-kevitra hafa indray dia miverina «Zéro» daholo indray ny zava-drehetra. Ka izany antony izany indrindra no mahamety sy mahatsara ny mbola hisian’ny fifampidinihana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy efatra aloha, avy eo miaraka amin’ireo lehibena ankolafy sy vondrona politika hafa, fa tsy ho maimaika amin’ny fanendrena olona, izay azo antoka fa hiteraka olana vaovao.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT