Olon-dehibe tsy misaina?

Nanomboka moa izany iny ny fampielezankevitra.


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Ny andraikitra natao ho tanjon’ireo kandida tsirairay fotsiny no niova fa raha ny fomba fanao hita

taratra sahady na ny mikasika ny tontolom-pikarakarana ilay fifidianana io na ny fomba fifampitondran’ireo kandida eny an-kianja dia mampanongo tena sy maha menatra ihany ny hilaza azy. Ho atao hoe olon-dehibe tsy misaina ve sa tsy mendrika ny ho atao maodely sy ho atao raiamandreny? Ny resaka fikononkononana hoso-pifidianana sy hala-bato moa dia ny efa heno tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote ihany no mbola re manako amin’ny ankamaroan’ireo kaominina hiatrika izany atao hoe fifidianana monisipaly izany amin’izao fotoana izao. Dia mbola ireny koa ny mifanaingina afisy sy mifanaratsy eo amin’ny samy kandida. Fotsy rora ireo tena nijoro ho raiamandreny nananatra nialohan’izao hoe «mpifaninana fa tsy mpifahavalo». Mampametra-panontaniana mihitsy, hoy ilay filohana antoko politika iray izay, hoe mbola misy fo mitempo ho an’ity Madagasikara ity ve ny mpisehatra politika sasany? Mbola manana izany atao hoe fanahy maha malagasy izany ve? Mbola manao ho zava-dehibe izany atao hoe soatoavina malagasy toy ny fihavanana sy fifankatiavana izany ve sa sanatria hitoetra hatrany amin’ny maha mpanao politika tsy nitondra afa-tsy disadisa sy fihemoran’ny fiarahamonina sy ny firenena hatrizay, araka ny voalaza teo hoe olon-dehibe tsy misaina?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT