Edito

Olon-dehibe tsy mahalala menatra


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Asa na efa aretina aty afrika izy ity na aretin’ireo mpitondra aty amin’ny tany fadiranovana. Dia tsy mba mety hifanara-tsaina na oviana mihitsy izany ireo mpitondra sy ireo mijoro ho mpanohitra eto amin’ity firenena ity.

 Ekena aloha fa izay tokoa ny lojikan’ny atao hoe fifanoherana fa na izany aza dia tsy mba hisy lesona noraisina tamin’ny zava-nitranga tany aloha mihitsy ve mba hiavian’ny marimaritra iraisana ho amin’ny tombontsoam-pirenena amin’izay ? Oviana tokoa moa no tsy nametraka olana teto ny fikarakarana fifidianana sy fifidianana ? Efa maro izay vahaolana nandalo izay. Tao ny fohy ezaka sy ny antenantenany ary ny lavitra ezaka. Nisy aza moa no nanolotra vahaolana fohy ezaka azo tontosaina anaty 12 ora monja saingy toy ireny efa azo antoka any anaty tsikalam-pieritreretana maha gasy ireny mihitsy fa tsy hisy vonon-kanaraka azy. Mody miady ve ireto olon-dehibe mitondra ny raharaha politika eto amin’ny tany sy ny firenentsika ireto sa tena miady ? Ny an-daniny milaza fa tsy hanampin-tsofina amin’ny fitakiana saingy tsy maintsy manara-dalàna ary tsy maintsy manatontosa ny drafitra efa napetrany tany am-boalohany. Ny an-kilany koa dia manao ny ataony ary na ho vy na ho vato na ho vanja dia tsy mihemotra fa tsy maintsy ho tonga amin’ny tanjony dia ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana sy ny famahana ny olana mikasika ireo biraom-pifidianana. Efa henony izao anefa fa niziriziry tsy hanao izany ny fitondram-panjakana ary azo antoka 99% fa tsy hanatanteraka ny fitakian’izy ireo. Tsy hay intsony koa aza moa hoe tena fitakiana sa mody fitakiana. Raha aravona dia toy ireny zaza miady sy midongy ireny raha atao tazan-davitra ireto olon-dehibe tsy mahalala menatra eto amintsika ireto. Dia tsy afaka hisoroka korontana mihitsy ve ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT