Edito

Olom-boafitaka


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Nanoko sikidy teo am-baravaran’ny mpamosavy ve sa nandinika volana teo an-davarangan’ny mpanandro no dia nijabaka tanteraka ankehitriny isika mianakavy, hany ka toa olom-boavidy hatrany no sahin’ireo mpitondra hanadontoana ny sain-dRamalagasy ho olom-boafidy ?

 Raha ny fizotry ny toe-draharaha ankehitriny aloha dia efa hita miharihary fa ho any amin’ny korontana sy ny tsy fahatontosan’ny fifidianana amin’ity taona ity. Raha ho tanteraka aza angamba izany dia hivoahana « Olom-boafidy tsizarizary indray » na ilay antsoin’ny mpanjanaka hoe « mal élus ». Hifandroritana tanteraka ny resaka fanorenana ifotony misarizoro amin’ingahy federalisma sy tetezamita vaovao. Ny teny an-kianja moa dia io efa mila hadino ilay hoe « Miala Rajao ». Ao anatin’izany rehetra izany dia mbola volombolon’ny ho olom-boafitaka hatrany Ramalagasy raha toa ka efa niaina ny hirifirin’ny famitahana nandritry ny 50 taona mahery. Fanambaniana ve sa tena fahamehana ? Fandrangitana ve sa tena tsy fahaiza-manaon’ireo mpanapa-kevitra  no nahatafatsangana ity governemanta hafa dia hafa ity ? Iza no manampahaizana afaka manazava fa tokony ho mpahay tantara no hipetraka eo amin’ny toeran’ny minisiteran’ny varotra ? Olona efa nametrahana fitoriana maro teo anivon’ny Bianco ary mbola voasaringotra amina raharaham-pitsarana hafa ihany koa no tokony hitantana ny serasera ? Amin’io, tsy niafina ny hadalany fa dia hitan’izao tontolo izao ny nitondrany vahoaka nitora-bato teo an-tokotanina biraom-panjakana. Tsy lazaina intsony ny fipetrahana mpahay lalàna avy naloan’ny minisiteran’ny asam-panjakana nafindra any amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra sy ny hafa tsy voatanisa naha olom-boafitaka antsika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT