Edito

Olom-boafidy sa olom-boavidy !


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Lasa resabe indray ny savorovoro tetsy amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly.

 Niteraka korontana sy adihevitra ny resaka fandaharam-potoana sy ny olona afaka nanatrika izany, ka saika niafara hatramin’ny ady totohondry teo amin’ny samy solombavambahoaka aza. Nampisavorovo sy lasa olana ho an’ny solombavambahoaka mpomba ny fitondrana HVM moa ny fanatrehan’ny mpanao gazety ny fotoana, ka dia raikitra ny sakoroka, ka nantsoina hatramin’ny mpitandro ny filaminana handamina. Nisy mihitsy ny tsy nahafehy tena sy toa tsy niraharaha intsony ny haja amam-boninahitra ananany amin’ny maha olom-boafidy azy, ary tsy mendrika akory amin’ny maha solombavambahoaka ny vava navoakany. Vitan’ny depiote Rabetafika Roberthine voafidy tany Matsiatra Ambony iny ny nanompa sy nanivaiva ny mpanao gazety ho maimbo helika. Tsy manan-tahotra amin’ny vava havoaka ve satria akaiky ny fitondrana sy mirehareha amin’ny fahefana ? Olom-boafidy manana ny maha izy azy sa olom-boavidy baikoina hanaotao foana ? Teny an-toerana ny minisitra iray tokony hiaro ny mpanao gazety, saingy tsy hay na mety aminy ireny na hisy ny fanamelohana hataony, fa ny mpanao gazety rehetra tonga teny an-toerana kosa dia tofoka sy nanameloka ity farany. Manala baraka ankitsirano ny andrim-panjakana misy azy. Hisy ve ny fanamelohana hataon’ny antenimiera sa homena rariny ny fanivaivana sy fanompana ny mpanao gazety satria manelingelina ny hafa ? Inona ihany koa ny zavatra kimaizimaizina tiana hafenina ao anatin’ny raharaha, ka hanaovana roaka alika ny mpanao gazety ? Mila lalao madio sy mazava dia milamina ny raharaha raha tena ampiharina tokoa ilay hoe lapan’ny demokrasia e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT