Edito

Olana tamin’ny hofan-trano Naparitaka eran’ny arabe ny entan’ilay Hotely


  • Talata 08 Jolay 2014

Hatairana ny an’ny mponin’Antsahavola sy ny manodidina ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 6ora maraina teo ho eo nahita vadintany niaraka tamina mpitandro ny filaminana fa hoe : hampihatra ny didy izay nivoaka ny alarobia 2 jolay lasa teo. Hotely iray eny an-toerana no voakasik’izany......

Raha ny fanazavan’ny tompon’ity trano fandraisam-bahiny ity dia olana mahakasika hofan-trano no mety nahatonga izao didy izao. Raha tsiahivina, ny taona 2010 izy ireo no nanomboka nanofa ny trano. «Bail commercial» no endriky ny fifanarahana natao tamin’izany, ary voarakitra tao fa malalaka ny mpanofa hampiasa ny toerana amin’ny fandraharahana ara-barotra izay tian’izy ireo atao. Tao anatin’izany anefa dia nandalo fahasahiranana ny toerana ka tsy afaka nanefa ny hofan-trano araka ny tokony ho izy ka dia nangataka andro tamin’ny tompon-trano ary dia nanao fifanarahana ara-panjakana hafa indray ny roa tonta. Anisan’ny nifanarahana tao anatin’izany ny fialan’ny mpanofa tsy misy hatakandro raha toa ka dila ny fotoana nifanarahana ny amin’ny fandoavana ny vola rehetra izay nomarihiny fa tokony ho amin’ny 10 jolay ny farany saingy efa voaloa daholo. Gaga anefa izy ireo fa ny andron’ny sabotsy 4 jolay lasa teo iny dia tonga tampoka ny vadintany sy ny mpitandro ny filaminana hampihatra ny didy fandroahana ireo mpanofa izay nilaza fa tsy nahafantatra ny fisian’ity didy ity. Manoloana izany dia naneho ny alahelony ity farany satria dia nivaona araka ny tokony ho izy ny fifanarahana natao ka manahy ny amin’ny fisiana kolikoly ao anatin’izao raharaha izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT