Edito

Olana rehefa tsy vahaolana


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Mampahatsiahy ny tenina filoham-pirenena teo aloha izay izy ity hoe ny olona iray rehefa tsy vahaolana dia olana. Azo atao koa hoe ny vondron’olona iray angamba na mety hoe ny antokon’olona iray na fikambanana iray,

rehefa misy olona dia olana izy izay rehefa tsy vahaolana. Ahoana, hoy ny fanontaniana iray tao anaty tambazotran-tserasera hita omaly izay, ny hamahan’ny governemanta ny olam-pirenena iray raha toa ka ilay governemanta mihitsy no olan’ilay firenena? Tampina ny daomy. Arakaraky ny hirosoan’ny andro sy volana no miha tsy mampandeha amin’izay laoniny ny fiainana eto amin’ity firenena ity. Olana tekinika kely, hoy ny mpandinika izay omaly, amin’ny resaka fitsinjarana rano teny Ankatso sy Ambohipo teny kanefa dia tsy voavaha. Tena tsy voavaha koa aza ve sa niniana tsy novahana? Niakatra 1000 ariary ny saran’ny rano iray “bidon jaune” noho ny harerahan’ireo mpiandry paompim-panjakana. Tsy mahita ny rano fisotro zara raha mandeha sy ny efa sanatrian’izany, kely sisa, dia ranom-potaka no ho sotroin’ireo mponina aty an-drenivohitra sy ny manodidina mihitsy fa tsy any atsimo fotsiny ihany ve ireo mpanapa-kevitra eto amin’ity firenena ity. Ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra manginy fotsiny. Ny fidangan’ny vidim-piainana eo ary dia mbola mampanamafy ny fanontaniana tokoa izany rehetra izany hoe mbola misy henatra mitoetra ve eto amin’ity firenena ity, indrindra, ho an’ireo mpitondra manoloana izao zava-misy mila handrendrika tanteraka ny vahoaka Malagasy izao? Afaka hanana finiavana hanova azy ireo ho vahaolana fa tsy olana ve ireo tompon’andraikitra ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT