Olana miverimberina

Tonga indray ity ny fahavaratra! Mafotaka ny lalan-tany


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

tsy voajary amina faritra maro na etsy akaikin’Antananarivo io na

Manjakandriana ka hatrany Ikongo. Ny lalam-pirenena koa mampikolay. Ao ny tapaka. Ao ny mihotsaka. Inona moa fa dia toy ny niainana tao anatin’ny 5 taona farany ihany? Mbola misy an’ilay vao notokanana volana vitsy dia ireny efa hita tsy nahatana ny onjan’orana manify ireny. Ny fikorontanana eo amin’ny lafiny famatsiana angovo koa, etsy ankilany, mbola manampy trotraka. Ny delestazy, ny fifandraisan-davitra tapatapaka na an-telefaonina io na amin’ny alalan’ny aterineto. Olana miverimberina isan-taona izany rehetra izany saingy dia tsy misy vahaolana maharitra azo hisorohana ny mety ho traboina vokatr’izany mihitsy foana ve hatramin’izao na fara-faha ratsiny manena ny isan’izany atao hoe traboina izany eto amin’ity Madagasikara ity? Hiteny indray ve atsy ho atsy rehefa mipoitra ny tsy fahombiazana maro hoe satria nisy andro ratsy na rivodoza? Hiakatra indray koa atsy ho atsy ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, noho ny antony jeopolitika moa, hoy ny filazan’ny minisitry ny angovo sy akoran’afo vaovao azy izay. Tsy hay izany io hoe mbola fiantraikan’ny adin’ny Okrainina sy Rosia ihany ve, sanatria, sa valanaretina hafa vaovao sa inona? Ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT