Edito

Ohatra tsara no nataon-dRavalomanana


  • Talata 04 Novambra 2014

Mivarina isan-taona ny laharana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Porofo mitohoka amin’ny tendany ny fahaverezana toerana enina be izao tao anatin’ny «Doing Business 2015» navoakan’ny Banky iraisam-pirenena farany teo

Midika io fa tsy mbola mahasarika ireo mpanam-bola aloha hatreto ny mandraharaha eto amintsika. Efa nitondra fanamarihana mikasika izay rahateo ireo efa mirotsaka amin’ny fampiasam-bola eto amin’ny nosy fa tsy misy mihaino. Sakana ny vesatra ara-panjakana sy ny fitakian-ketra tsy misy farany. Mitaky fanavaozana lalàna miaraka amin’ny fepetra fanampiny tahaka ny fivoarana goavana nitranga teto amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara tao anatin’ny 10 taona ny toekarena eto Madagasikara izay nampisongadina ireo mpandraharaha tompontany ao aminy. Matoky ny hoavy mamiratra ho an’ny firenena Malagasy ny talen’ny International Finance Corporation misahana an’i Madagasikara, Kailash Ramnauth. Ohatra tsara noraisiny tamin’izany ny fiarenan-dohan’ny toekarena Malagasy taorian’ny krizy 2002 nitantanan’ny filoha Ravalomanana Marc.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT