Edito

Ofanina foana


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Atrikasa, fikaonan-doha, fiofanana isan-karazany eto an-toerana, eny hatrany ivelany lava izao.

Raha fehezina dia ofanina foana sy hofanina hatrany isika saingy mbola hita foana ireo lesoka miverimberina ary na misy fihatsarana sy firosoana aza dia variraiventy, hoy ilay fomba fiteny izay. Ny lafin-javatra hafa nisy fivoarany ihany saingy mivoatra gaigy, araka ny fitenenana. Fiarahamonina mievaeva no zary tazana ankehitriny, araka ny filazan’ny mpandinika azy. Maninona moa no mbola misy famaizan-trano ihany etsy sy eroa ary saika trano hazo hatrany ny ankamaroany ? Mora tokoa ny miteny sy manentana na mandrara ireo vahoaka mihitsy aza tsy hanorina ireny karazan-trano ireny intsony. Mba tonga ao an-tsain’ny mpitondra ve fa noho ny tsy fananany no antony mahatonga azy ireo hanorina trano tahaka ireny ? Efa vidiana ny rano ankehitriny ary any amin’ny faritra sasany aza tena vidiana lafo mihitsy. Na ny mivoaka any amin’ireo toeram-pivoaham-bahoaka, izany hoe toy ny hanary fako, koa aza ankehitriny andoavam-bola.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT