Mbola resabe mandraka ankehitriny ny amin’ilay hoe : “protocole” lazain'i Andry Rajoelina fa efa nekeny sy neken'i Marc Ravalomanana nialoha ny dinika any Pretoria ity. Zary kiafinafina ny amin’izy ity na dia nisy ihany aza ny teny nibolisatra nambaran’i Andry Rajoelina raha nidina tampoka teny Analakely nizaha ifotony ny asa fanamboarana ny Lapan’ny Tanàna. Betsaka ankehitriny no mihevitra fa ilay “feuille de route” na sori-dalana nataon'i Andry Rajoelina teny Ivato ny 4 sy 5 marsa teo io. Ny mety ho zava-miafina tao ambadik’iny dia raha vao vita ilay atrikasa teny Ivato dia nikasa hanatitra ny fehin-kevitra nivoaka any amin'ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC i Camille Vital. Nandeha be rahateo ny resaka momba izany tamin’io fotoana io. Ny heno dia tsy nanaiky handray azy ireo olona ireo satria fanapahan-kevitry ny ankolafy tokana (unilateralisme) io, natao hialana amin'ny filatsahan'ny sazy fotsiny ihany. Teo dia nampiasa ny paikady vaovao i Andry Rajoelina sy Frantsay. Nandeha tany Frantsa ny amiraly Hippolyte, praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamia. Azo antoka fa nanao an-tanana io fehin-kevitra na “feuille de route” teny Ivato io izy, ary natolony an'i Alain Joyandet io ary ity farany no azo antoka fa niangaviany hitondra ilay izy any amin'ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC. Tsy nanaiky hihinana am-bolony an’io anefa ireto farany satria tsy maintsy ny ankolafy efatra no manaiky azy. Izay no antom-pisian'i Pretoria.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.