Edito

Ny vola tsy maha mpihavana tokoa!


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Raha zohiana amin’ny zava-misy sy ny toe-javatra miseho, dia mbola mirona bebe kokoa hatrany any amin’ny hoe : ady an-tranon’ny samy mpiray petsapetsa

 ao anatin’ny Fitondrana ity resaka fikasana hamono ny Filoha, izay mitana ny sain’ny besinimaro ity. Saika olona akaiky ny Filoham-pirenena na niara-niasa tamin’ny Filoham-pirenena aloha no voatonontonona sy noahiahiana mivantana, na teo aza ny fanambaran’ny mpanohitra tapa-bolana lasa izay, fa takiana ny fialan’ny Filoham-pirenena, ary mila atsangana ny Repoblika fahadimy. Ny karazana ady an-trano na « règlement des comptes » eo amin’ny samy mpitondra izay mety ho noho ny ady tombotsoa no toa lasa miteraka fikorontanana eto amin’ny firenena. Mitady ho lasa fitaovana hakana fom-bahoaka sy fipetrahana eo amin’ny toeran’ny lasibatra na « victime » ihany koa ny zava-miseho, ka toa milaza hoe : « mba jereo aho fa tena mampalahelo ». Mety ho tafiditry ny fifanitsahana bizina, tombotsoa, seza, ary indrindra ny vola raha tarafina amin’ilay horonam-peon’ny tandapa iray voasaringotra tamin’ilay raharaha famonoana Filoha. Izay ilay hoe : « ny vola tsy maha mpihavana ». Iza moa no tsy mahalala, fa isan’ny hihazakazahan’ny ankamaroan’ny mpanao politika Malagasy hahazo fahefana ny fanamorana ny bizina sy fangoronan-karena ? Tsy mahazaka fofom-bola ny sasany hany ka maro no mety tsy mahazaka ny mena miraviravy ka mamadika ny foto-kevitra nijoroany. Dia tena mino ve isika Malagasy eo anatrehan’ny fihetsiky ny mpanao politika manao ny tsy fanao, handany an-jatony tapitrisa « euros » na « dollars» hahatongavana eo amin’ny toerana maha filoham-pirenana, ohatra, dia hoe fampandrosoana ny firenena no tanjony voalohany fa tsy ny hahafahany mangoron-karena araka izay tratrany ? Adala ve ny mpanefoefo hanatontona vola tsy toko tsy forohana hametraka mpitondra eo ? Sady mamerina mason-karena no manefa trosa izay lany avy eo. Ny vola tsy mampihavana, ka mety misy ny sasany tsy afa-po sy tsy araka ny noheverina ny tamberiny, ny ankilany ihany koa mety manonitra ny azy aloha vao mamerina ny an’ny hafa,... Mazava fa raikitra ny rombo avy eo ! Ny Malagasy etsy andaniny mifafa ny kihony hatrany, mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fitiavan-tena. Asa rahoviana re vao ho valalabemifoha fa tsy valalabemandry intsony ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT