Manakoako eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny akon’ny fandresen’ny Barean’i Madagasikara sambany tafita hiatraka ny dingana famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2019.
Tsy fandresen’ny mpilalao ihany iny fa fandresen’ny firenena manontolo. Nahavita nanova ny tantara ny Malagasy fa ela ny ela. Raha mba hasiana lafiny teknika sy politika kely, dia matihanina avokoa ny mpilalao Malagasy sy ny mpanazatra matoa nahita vokatra tahaka ireny, ary tsy kisendrasendra ny fahombiazana, fa mila olona mahay mahalala mahavita. Mila olona vontona traikefa, mba tsy hijanona hatrany amin’ny hoe ny fandraisana anjara no zava-dehibe. Dia andeha hampifandraisina amin’ny raharaham-pirenena amin’izay ary izy ity hoe: ireo misy mpanao politika miisa 36 mikatsaka mafy ny ho tonga amin’ny toeran’ny filoha, saingy ny fandraisan’anjara aloha izany no ho zava-dehibe ho an’ny 35 fa iray ihany no ho lany eo. Ny ankamaroany dia mpanao politika efa nisedra fitantanana ny firenena. Filoha, praiminisitra, minisitra, tompon’andraikitra ambony,… ary azo hitsarana ny tsirairay ny zavatra nataony ka ny ankamaroany, dia ny balarora angamba no tena kapoakany. Raha ny resaka eny antsisin-tosy dia teknisianina be mihitsy, ary mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny fampanofinofisana sy ny seho ivelany toy ilay iray nilaza fa hanamboatra “tramway” hanatsarana ny fitaterana hono ary afaka volana vitsy dia ho avy eto fa efa amboarina any ampitan-dranomasina, saingy 8 taona aty aorina inona no teo? Ny mpilalao ara-politika tena miakatra an-kianja mitakosona amin’ny vahoaka ary efa nanaporofo fa nahavita azy ary nandrandrainy hatry ny ela no ilaina fa tsy olona mampanonofy ny maro amin’ny hevitra poak’aty sy sehoseho ivelany akory e! Aleo mba mahay mijery sy misaina tsara amin’izay, ka ho santatry ny fandresena ny fahantrana ihany koa iny dingana lehibe vitan’ny ekipam-pirenena iny e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.