Ny vanona tsy vonona,

ny vonona tsy vanona ?


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

manatitra ny antontan-taratasiny. Ny 99%n’ireo kaominina manerana ny Nosy anefa mbola tsy nahavaky atody hatramin’ny omaly maraina. Eo ilay toe-tsaina miandry farany, saingy toa tsy tena izay ny zava-misy fa tena malaina ireo te ho kandida noho ny antony maro samihafa, ary manampy trotraka ny fahasarotana, ampian’ny anto-bola midangana, ny kajikajy politika maloto,… Tsy finiavana hiampanga mialohan’ny fotoana, fa tena miteraka fahakivian’ireo olom-pirenena mba mieritreritra hitondra anjara biriky amin’ny kaominina misy azy ireny fanasarotana samihafa ireny. Manampy trotraka ny mety ho don-tandroka samihafa ka ahiana hiverina sy hitohy hatrany ny hoe : ny antokom-panjakana ihany no tena hanana kandida handrakotra ny kaominina rehetra manerana ny Nosy, na mety hisy sarintsarina kandida mahaleotena manana firehana sy loko politika tahaka ny tamin’ny fifidianana depiote teo eo anatrehan’ny efa tsy fankasitrahan’ny vahoaka ny lokom-panjakana intsony, izay efa hita taratra tamin’ireo tanàn-dehibe maro tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. Hakisakisaka hatrany ny tena olona vonona hanompo sy hampandroso tanindrazana, ka loko sy fijery tokana hatrany no tiana hampanjakaina eto. Izao angamba ilay hoe : ny vanona tsy vonona, ary ny vonona tsy vanona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT