Ny vahoaka foana no omena tsiny!

Ny vahoaka foana no omena tsiny rehefa maro an’isa hatramin’izay


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

no tsy tonga teny amin’ireo biraom-pifidianana nandeha naneho ny safidiny tao anatin’ireo fifidianana nifandimby

hatramin’ny taona 2010 noho nankaty! Nisantatra izany moa ilay fifidianana lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny karinem-pokontany, izay niaraha-nahatsiahy fa na ny fomba nanatontosàna izany tamin’ny fotoan’androny aza dia efa tsy mifanaraka sahady amin’ny lalàna misy eto amin’ny firenena sy ny tany kanefa dia notazànin’ny CENI-T fotsiny izany. Nitohy taorian’izay ny tohivakam-panitsakitsahana ny lalàmpanorenana nitabataban’ireo herivelona politika samihafa ivelan’ireo fitondràna nifandimby ary rehefa hoe mifandraika amin’ny fifidianana moa dia io tsy mety tomombana hatrany hatramin’izao io. Iny lafiny iny moa izany efa mijanona ho ady sy tolon’ireo hery politika mandray anjara amin’ny fifidianana hatramin’izay ka hatramin’izao ary ireo olompirenena mandatsa-bato sy natao hiaro ny safidiny ihany koa ao anatin’izany rehetra izany. Etsy ankilany kosa, ny mikasika ireo olom-boafidy, indrindra, ireto antsoina hatramin’izay hoe solombavambahoaka, dia io iarahantsika mahita io hatrany fa tsy mbola niova fa vao mainka aza mahakivy ireo nifidy azy ny afitsok’izy ireo amin’izao fotoana izao. Aty amin’ny taona 2024 ve izany dia mbola tsy misy afa-tsy ny mananga-tanana ihany hatreto no hain’ny solombavambahoaka malagasy, mba tsy ilazàna afa-tsy ny hoe mampidi-kizo ilay firenena? Nandalo tao amin’ny antenimieram-pirenena iny ny fandaniana ilay trosabe mitotaly amina miliara Dolara dia ireny niaraha-nahita ireny ny nataon’ireo lazaina fa solombavambahoakantsika. Na saka kely aza laniana ato dia lany, hoy ny depiote Naivo Raholdina izay, ny taona 2017. Io tokoa fa dia lany tsy nasiam-panintsiana indray koa ny tetibolam-panjakàna ho an’ny taona 2024. Dia ny vahoaka tsy tonga nampandany rafitra tahaka izany foana no nomena tsiny teto, nefa anarany hoe mba rafitra manakaiky vahoaka. Asa hoe rahoviana tokoa moa ny fanovàna eto amin’ity firenena ity ao anatin’izany fa soa ihany aloha ny kandidà ben’ny tanàna iray eto Antananarivo fa nilaza hoe hanomboka eto Antananarivo izay fanovàna izay ka dia izay tokoa moa izany angamba sisa no irariana sy antenaina ao anatin’izao fifidianana manaraka izao indray!
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT