Edito

Ny tsy feno ihany no mihontsana


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Ny zavatra tena sarotra indrindra ho an’ity Fanjakana mitantana an’i Madagasikara ankehitriny, dia ny fihaikena ny lesoka sy ny tsy fahaiza-mitantana.

 Fatra-panilika sy mitady izay hamaharana amin’ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena, ary ny tena loza dia manao gisalahy mangala-ketsa, ka ny efa manao ny tsy mety indray no avo vava. Fatratra ny fanenjehana ireo mpitondra nifanesy teo amin’ny fitondrana ho tsy nahavita na inona na inona, fa izy ireo no tena mendrika sy tena mampandroso ny firenena. Ny tena marina sy tsy azo lavina anefa, dia ry zareo nampikorosy fahana indrindra ny firenena Malagasy taorian’ny fahazoana fahefana in-droa nisesy. Hanavotra ny firenena no ventesina kanefa sao mba tokony hahatsapa amin’izay fa olan’ny firenena ? Miharihary ny hoe : « Ny tsy feno ihany no mihontsana », hany ka te hampiseho amin’ny endrika ivelany foana hoe miasa, manao zavatra, izao sy izao, saingy ny fiainam-bahoaka miha mikorosy fahana hatrany. Very hevitra, hany ka tahaka sy manao dika mitovy ny fihetsiky teo aloha indraindray, ny seho ivelany no lasa aloha. Ny soa tokoa fianatra, saingy miavaka eny foana ny tena tompony sy ny mpindrana. Tsy mba mandia tany na tsy “realiste” araka ny fitenin’ny vazaha mihitsy rehefa manao zavatra, hany ka ny herin-tsaina mety ao ihany, fa ny hoza-pe hoenti-manatanteraka azy no tsy mahatosika firy: vola, paikady,... Hafa no lazaina anio, hafa rahampitso, raha tsy hilaza afatsy ilay hoe: tsy mila fitrosana mampahantra firenena, kanefa tena kepoka tanteraka vao tsy misy trosa, ary maromaro ny fankatoavana trosa noresahina tamin’ny filankevitry ny minisitra omaly. Hatramin’izao, tsy misy ny tena sori-dàlana mazava hoenti-mitondra sy mitantana ny firenena, fa manidintsidina eny, hany ka na ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) nambara fa hampahafantarina ofisialy ny janoary 2021 aza tsy hita ihany aty amin’ny fiafaran’ny taona. Hatreto, ny fitohizan-draharaha amin’ny asa ny teo aloha no tena nanaovana taty reraka, fa tsy tena misy tetikasa lavitr’ezaka mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena tena mandeha. Raha hiresaka angovo, làlana, seranantsambo, seranam-piaramanidina,… dia mbola ny teo aloha no tena nanao ny ankamaroany saingy terena ho velirano. Marina fa misy ny kianja manara-penitra izay hihazakazahana fatratra ny manao azy, mety misy ny fotodrafitrasa manara-penitra,… izay tsara tokoa, fa ny ankamaroany, dia misy lasa haingo ambony tsikoko, maneso ny fahasahiranana sy fahantram-bahoaka satria tsy hamaha olam-bahoaka no tanjona fa hanasongadin-tena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT