Edito

Ny tonta no navadibadika


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Ny tonta no navadibadika mba tsy hilazana hoe ny teo ihany no teo raha ny mikasika ny kabarin’ny filoham-pirenena malagasy namarana iny taona lasa iny no resahana.

Na ny “expressivité”, izany hoe ny herim-panehoany nilazany ireo zava-misy rehetra aza dia toy ny hita sy heno tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay hatrany. Mbola toy ny sahy milaza an-kolaka sy mivantana mihitsy fa tsy nisy tomika ny fomba fitantanany ity firenena ity tao anatin’izay fotoana rehetra izay. Hatramin’izao dia mbola I Okrainina sy I Rosia foana no diso. Mba afa-bela aza ikala Corona! Tsy mba afaka ny hiaiky mihitsy ve izany ilay fitondrana na ilay filoham-pirenena manokana mihitsy fa tsy napetrany araka ny tokony ho izy ny fitsipika volamenan’ny fitantanana fiarahamonina na fitantanana firenena dia ilay hoe “Jery lavitra no atao hoe mitantana.’’ Na “gouverner c’est prévoir”? Tsy niantraika tao Qatar ve izany na tao Japon na tany Malaizia ilay COVID sy adin’I Okrainina sy Rosia? Tsy niantraika tamin’ireo firenen-kafa ankoatrantsika taty Afrika koa ve? Maninona no tsy dia ahenoana fitanisana lava an’izany loatra ny atsy Maorisy na Rwanda na Afrika atsimo ao anatin’izao firoborobon’ny hairaha vaovao toy ny fahitalavitra azo amin’ny alalan’ny zanabolana izao? Dia mbola nandeha ihany koa moa ny fandokafan-tena toy ny hoe “champion” aho. Nandeha indray ny fampanantenana fa ampitomboina avo 3 heny ny tambin-karaman’ny sefo fokontany. Ahoana aloha ny mikasika ny karaman’ireo mpiasam-panjakana mbola tsy voaloha? Ahoana ny amin’ny valin-kasasaran’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra efa an-taonany maro mihitsy no tsy azony nefa izao fitondrana izao no nampanantena azy fony mbola tamin’ny tetezamita 2009? Maika ve ilay teleferika nefa ny JIRAMA aza nolazaina fa tsy ho voavaha raha tsy amin’ny 2028? Fa angaha moa tsy hoe ao anatin’ny 5 taona indray no hovitaina ireo tsy vita tao anatin’ny 60 taona no toa mbola hoe afaka 2 taona indray isika vao hahaleotena ara-bary na tsy hanafatra siramamy intsony? Lasa apetrak’ireo mpanara-baovao hatramin’ny fanontaniana hoe mety mbola hiova ve ity filoham-pirenentsika ity sy ny fitondrany sa sanatria tsy hiova intsony ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT