Edito

Ny tonta no avadibadika


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Mahavariana mihitsy ny fihetsiketsehana sy ny fahaizan’ny fitondrana tetezamitan’i Andry Rajoelina miala bala manoloana ny tsy fahombiazany, raha ny fahitan’ny maro azy. Mahita ambara hatrany izy ireo hamaboana ny fon’ny vahoaka tsy mandady harona tsy dia maharaka firy ny zava-misy marina. Efa nanomboka tamin’ny 2009 io resaka io, mbola tsaroana eto ireo hirahira teny amin’ny kianjan’ny demokraisa fa hatao 500 ariary ny kilaon’ny vary, 2500 ariary ny litatry ny menaka, atao malalaka ny asa fanaovan-gazety, tsy amidy amin’ny vahiny ny tanindrazana, handeha mafy lavitra noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana satria lamasinina TGV no hampiasaina. Roa taona aty aoriana, 1500 ariary ny iray kilao amin’ny vary, tsy araka ny noeritreretina ny zava-misy, nandalo dia niserana natao akana vato tamin’ny fifidianana fotsiny ny Tsena Mora ; mifanesisesy ireo mpandraharaha vahiny efa reraka sy nigadra tany aminy tany fa hampiasa vola eto, hono, ary omena vahana sy tombontsoa manokana izy ireo : afaka mividy tany sy manorina trano eto.

Foronina daholo izao voambolana rehetra izao toy ny Tsena Mora, vary mora, menaka mora, Trano mora ary ireo mpanohitra moa dia alefa eny Antanimora. Velon-taraina ny mpandraharaha eto an-toerana fa mijabaka loatra amin’ny asan’izy ireo ny fanjakana ary toa miverina tsimoramora izany ny didy jadona sy fifehezan’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina. Ireo rehetra ireo anefa no notoherina hatramin’izay ary nandrodanana ny fitondrana teo aloha, dia izao vao maro no tonga saina fa tena kabary politika nitadiavana seza fotsiny ny an’i zandry kely teny an-kianja fa rehefa tafapetraka izy dia ny nataon’ny teo aloha ihany no notohizany, izy rahateo mpandraharaha tahaka ilay naongany ihany ary tena be hambom-po aok’izany.

Roa taona nampifangaro ny fanantenana, ny fahakiviana, ny ranomaso ny fangirifiriana ary ny alahelo sy fahasahiranana no niainan’ny Malagasy, hita ho tena mbola lavitra ilay maraina vaovao ary feno lavaka iny lalana iny, lalan-tsarotra saro-diavina. Ilay mpitarika rahateo moa lasa any aloha any ary tsy dia miherikerika intsony fa mirifatra amin’ny lalana tiany sy izay efa noeritreretiny. Ny somary mahasosotra sy mahatsikaiky anefa dia manomboka manaiky miandalana ilay fifanarahana tany Maputo ihany ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Fandrafetana drafitra tsy mifanalavitra amin’izany no atao amin’izao fotoana, tsy misy ny zava-baovao tena miavaka fa ny tonta ihany no navadibadika. Fanitsiana sy fifanakalozana toerana fotsiny angamba no mety mbola mampitarazoka ny resaka.

Tsy maintsy hotanterahana ny fampihavanam-pirenena. Mialoha izay dia tsy maintsy havoaka ireo gadra politika rehetra. Na tsy mbola tafaverina eto aza ireo filoha mirahalahy any am-pita dia azo antoka ny famafana tanteraka ny raharaham-pitsarana nanamelohana azy ireo. Dingana tsy maintsy andalovana izany raha te hivoaka amin’izao krizy izao i Madagasikara. Nandà fatratra ny fidiran’ny mpanelanelan’ny SADC teto amintsika tamin’ny 2010 iny ny ankolafy Rajoelina, saingy efa miova izany amin’izao fotoana ary maro koa ny zavatra tsy maintsy hiova manaraka izany. Tsy hisy aloha raha ny tonga lafatra amin’ny marimaritra iraisana, fa tsy maintsy tanteraka daholo kosa ireo fanapahan-kevitra hampitoniana ny tontolo politika sy ny sosialy tahaka ny famotsoran-keloka sy fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana. Tsy misy zava-baovao eto fa dia ny tonta ihany no avadibadika e !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT