Edito

Ny toky fitaka …


  • Zoma 30 Martsa 2012

Hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana fahefatra, manomboka ny talata 3 aprily ho avy izao ny Parlemanta ahitana ny CT sy ny CST ka mandritra ny 12 andro, raha ela indrindra, no handinihana ny volavolan-dalŕna momba ny famotsoran-keloka.

 Ilay volavolan-dalàna avy any amin’ny manampahaizana malagasy, ahitana lokon’ny «mémorandum» natolotry ny SADC, ary misy dian-tanan’ny ministeran’ny fitsarana io aroso eo amin’ny Parlemanta amin’ny talata ho avy izao io. Mialoha izany dia efa nisy ny fandinihan’ireo mpanao politika sy Parlemantera manohana an’i Andry Rajoelina ity resaka famotsoran-keloka ity. Nampitovy tadin-dokanga izy ireo ary samy mamerimberina fa tsy mahazo famotsoran-keloka ny namono sy nampamono olona na niray tsikombakomba tamin’ny famonoan’olona. Tsy mahazo izany koa izay tena nanitsakitsaka ny zon’olombelona. Tsy azo ekena ny tsimatimanota, hoy izy ireo. Mazava ny resaka eto fa tsy hahazo famotsoran-keloka izany mihitsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary ho sarotra aminy ny miditra an-kalalahana eto, raha toa ka mbola maro an’isa ao anatin’ny rafitra tetezamita, tahaka ny misy amin’izao fotoana ny olon-dRajoelina.

Tsaroana eto ilay kabarin’ity farany tamin’ny fiandohan’ny taona hoe : “mbola mitohy ny tolona”. Dia io iaraha-mahita io tokoa fa mbola mitohy ny fanilihana araka izay azo atao ny filoha teo aloha sy izay rehetra miaraka aminy. Tsy mbola any amin’ny resaka fisamborana sy fanagadrana aloha no misy eto, fa tena ady ambony latabatra sy amin’ny alalan’ny taratasy. Nahita hirika hampiasana ny soso-kevitry ny SADC mba handetehana hatramin’ny farany an’i Marc Ravalomanana ny FAT, ary tsy matory andro aman’alina mihitsy amin’ny fandrafetana ireo paikady isan-karazany hahatongavana amin’izany. Araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao dia eo amin’ny telo ka hatramin’ny dimy andro eo dia ho eken’ny CT sy ny CST ity volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka ity, na dia tsy maintsy hisy ihany aza ny fanakianana sy fitsivalanana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Mahay mamadika ny mainty ho fotsy ny FAT, ary tsy tokony hohadinoina mihitsy fa olon’ny serasera i Andry Rajoelina, ary tena mahay mampiasa izany, ho amin’ny tombontsoany sy ny ankolafy tarihiny. Midika ary ve izany fa dia tsangan’olona, sy haingon-dapa fotsiny, ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao anaty governemanta sy eny amin’ny Parlemanta, ka tsy nahavita niady varotra na dia kely monja aza ? Dia ho hita eo ihany koa ny ho fihetsik’izy ireo satria tapitra amin’ity anio ity ihany koa ilay fe-potoana, nomen’izy ireo ny fitondrana tetezamita mba hampodiana an-kalalahana an’i Marc Ravalomanana. Ny toky fitaka fa ny atao no hita e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT