Edito

Ny toky fitaka ...


  • Talata 28 Jona 2011

Somokotra ery maneho hevitra sy manao fanambarana amin’ny haino aman-jery ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy manampahefana maro ao anatin’izao tetezamita izao.

 Lazainy fa efa akaiky, hono, ny fankatoavana iraisam-pirenena ary azo hanaporofoana izany ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny na solontenany teny Mahamasina sy Iavoloha tamin’ny alahady 26 jona lasa teo nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Anisan’ny tazana nanatrika ny matso ny 26 jona teo ny masoivoho Frantsay, Rosianina, Sinoa, Indianina Afrikanina Tatsimo, Tiorka, Maorisianina, Sonegaly, solontena na mpiandraiki-draharaha kosa no nalefan’ny masoivohon’ny firenena hafa. Raha atao indray mijery maimaika izany dia tsikaritra fa ireo firenena tsy niafina fa efa naneho hatramin’ny taon-dasa ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina ireo nandefa masoivoho ireo ary lohalaharana amin’izany i Frantsa izay tsiahivina eto ihany fa nandefa an’Atoa Jean Marc Chataigner hiasa eto Madagasikara ny 18 martsa 2009, izany hoe ny ampitson’ny nirodanan’ny fitondrana Ravalomanana, ary niray fiaramanidina tamin-dRtoa Mialy Rajoelina. I Frantsa no firenena voalohany niseho fa tena manohana ny FAT.

I Sina indray dia ao anatin’ny fametrahana politikam-pifandraisana ara-toekarena amin’ny kaontinanta Afrikanina tato anatin’ny folo taona teo izao. Izay firenena rehetra ahitany tombontsoa dia idirany fa tsy dia miasa saina be loatra amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary ny zon’olombelona izany ny mpitondra sinoa, biznesy ihany no mibaiko azy. Mitrandraka vy any Soalala ny Sinoa ary ny FAT no nanome ny fahazoan-dalana amin’izany. I Maorisy sy Inde dia samy mieritreritra ny hampitobaka sy hivarotra ny entana vokarin’izy ireo avy, ary iaraha-mahita fa maro be ny mpandraharaha Karana sy Maorisianina eto Madagasikara. I Torkia moa dia efa mieritreritra fa hiara-miasa akaiky amin’ny Air Madagascar

. I Rosia manokana kosa dia mety ho fihetsika politika ihany no nataony satria hatramin’izay dia mbola misy sy mitoetra ny fifanandrinana eo aminy sy Etazonia, ka izay fanapahan-kevitra eken’ny iray dia tsipahan’ny iray tsotra izao. Ny toky fitaka fa ny atao no hita. Milaza ho manohana an’i Madagasikara ireo firenena voatonona teo ireo ary manampy antsika amin’ny famahana ny krizy sy hahatongavana any amin’ny fifidianana madio sy mangarahara.

Mampieritreritra ihany anefa izany rehetra izany ary mampanontany tena hoe ny tombontsoan’ny Malagasy sa ny tombontsoany manokana no mibaiko ireo firenena vahiny miseho mivantana fa manohana ny FAT ireo ? Ary raha misy marina ny fanampiana an’i Madagasikara ataon’izy ireo dia miseho amin’ny endriny manao ahoana izany ? Ara-pitaovana, ara-torohevitra ve sa ara-bola ? Raha ny zava-misy tato anatin’ny fito taona mantsy dia hafa fa tsy ireo voatonona ireo no tena mpamatsy vola antsika tamin’ny alalan’ireo tetikasa maro be niparitaka manerana ny nosy. Ny Frantsay manokana dia be fampanantenana fa raha tena zohiana ny vola mivoaka hanampiany an’i Madagasikara isan-taona ka tena miantraika mivantana any amin’ny vahoaka dia azo lazaina fa kely raha oharina amin’ny banky iraisam-pirenena sy i Etazonia ary ny vondrona Eoropeanina ohatra. Ny toky fitaka fa ny atao no hita e!

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT