Edito

Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Mbola lalan-tsaina sy soatovina nentin’ny Malagasy nandritra ny fiarahamonina fahiny, ary mbola maro no mandala azy ankehitriny ny hoe : “ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!”.

Tsy nataotao fahatany ireny, fa tena haren-tsaina lehibe mba hitandroana ny fahamarinana sy ny fahintsiana satria arakaraka izay voa nafafy ihany no ho vokatra, fa tsy hisy olona mamafy tsy ratsy ka hijinja fahasoavana izany. Rehefa tsy misy ny fahamarinana, tsy misy ny fandriampahalemana, tsy misy filaminana,… Tsy mifanalavitra amin’izany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, raha tarafina amin’ny fikorontanam-pitantanana io. Tsy misy olana izay tsy miseho, ny eo tsy milamina, ny eo misosoka ihany. Sanatrian’ny vava toa mitady ho lasa orinasa mpamokatra olana ilay fitondram-panjakana tokony ho fialofan’ny vahoaka tsy mandady harona? Raha tokony ho mpamaha olana, mpanalalana, dia mitady ho lasa vato misakana sy olan’I Madagasikara. Ny firenena miha mitotongana, ny toekarena mihemotra, ny sosialy mandohalika,… fa ilay fitondram-panjakana toa mbola vao mainka mamboly krizy hanampiana trotraka an’ireny, mbola mihantsy ady, mandranitra, mamorona olana hafa,... Porofon’izany io raharaha mikasika ny orinasa miantsoroka ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy io. Asa mbola ny feon’ny fieritreretana ve no henoina sa dia efa nilatsahan’ny fanahin’inona loatra ka ny volakely mba ianteheran’ny Malagasy amin’ny fahanterana no sanatria atao tantely afa-drakotra sy hilibana na hanaovana rendrarendram-pitondrana? Hasesy hopotehina sy hovonoina mihitsy ireo orinasam-panjakana? Ireny niaraha-nahita ireny ihany koa ny fanampiana trotraka ny efa krizin’andrim-panjakana misy, hany ka ny eo tsy miravona saingy notondrahana solika indray ny afo efa mirehitra. Mikatso ny raharaham-panjakana ifamenoan’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ka hoe: tena niniana noforonina ve ireny mba hanadinoana ny zavatra hafa toy ny tsy fivahan’ny olam-bahoaka: delestazy, vidim-piainana, tsy fandriampahalemana,… Akaiky fifidianana isika izao no miseho ny olana sy krizy amin’ny endriny maro. Tsy hitan’ilay mpitondra izay tena horaisina, miharihary ny mety ho faharendrehana na tsy takona hafenina aza ny hambo-po politika mety ho tonga any amin’ny amboletra. Na ho ela na ho haingana anefa, tsy maintsy mitaky ny tsinin’ny tany satria raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, ary tsy hisy fiadanana ho ratsy fanahy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT