Edito

Ny tody tsy misy fa…


  • Talata 02 Febroary 2021

Miverina ny tantara eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika eto Madagasikara.

 

 

 

Ny mpanohitra tena nahavita azy, nahavita nandrodana sy nampikoa ny Fanjakana roa notoheriny roambinifolo taona sy telo taona lasa izay no eo amin’ny familiana an’i Gasikara ankehitriny. Tsy mamoha fota-mandry, fa mila todihana ny tantara. Hafa ny fomba firesaka sy fiady tamin’izany, fa tena nanao ny tsy fanao ara-bakiteny. Namaky biraom-panjakana, fototry ny fandrobana sy ny fandorana, tsy afa-miala amin’ny raharaha rà mandriaka sy ny faty olona, nandray vozon’akanjo sy nanambana basy Raiamandreny am-panahy, nampaniraka ireo olom-pehezina haniratsiratsy ny manamboninahitra ambony mpifehy azy,… 12 taona taty aoriana, ny Lehiben’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny tsy ara-dalàna tamin’izany no lasa mpanome lesona momba ny demokrasia fa ilaina ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika, tsy handroso sy tsy ho sangany aty Afrika ny firenena ary tsy ho tratra ny harin-karena 4000 hatramin’ny 5000 dolara isan’olona raha tsy misy ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ao anatin’ny fotoam-piasana efatra eo. Ny isan’ny sangany tamin’ny fitarihana ny miala Rajao nisian’ny vatam-paty teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no manome lesona ireo niara-dia taminy tamin’izany,… Rehefa ny hafa dia vorondolo fa rehefa ny tena dia voromanga ve? Tsy basy mipoaka, tsy fidinanana an-dalambe miseho, tsy hetsi-bahoaka mitranga,… fa vao resaka ambony latabatra, famakafakana anaty haino aman-jery, fitsangantsanganan’ny mpanohitra dia efa may volon-tratra ny fitondram-panjakana ankehitriny. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy hoe: handeha hanafosafo sy hidoka Fanjakana ny mpanohitra ? Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, hoy ny fomba fiteny. Asa na efa zatra manao sy mahana tsy henjehina ny mpitondra Fanjakana ankehitriny, ka mety manofy ratsy amin’ny hisiana fipoahana. Efa izay no asany, dia ny hitsingoloka ny fitondram-panjakana misy. Arakaraka ny fomba nahatongavana teo amin’ny fahefana ihany koa avy eo ny fomba fiasa hoenti-mamaha olana, izay tsapa ho mirona betsaka amin’ny fandrangarangana sy fampiasana basy aman-tafondro. Efa fomba fiady tsy nahomby tany aloha izany, ka mila manova famindra e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT