Edito

Ny teo ihany no miverina


  • Alarobia 14 Aprily 2010


Miherina ity ny andro namakian’i Camille Vital, praiminisitra lehiben’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny taratasy mirakitra ny laharan’ny didim-panjakana 2010-187 ny 07 aprily 2010 milaza fa manomboka izao dia ny praiminisitra no miandraikitra ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Alarobia ny andro tamin’izay; alarobia tsy miverina, hoy ny Ntaolo Malagasy. Ny dikan’izay dia izay voasoratra dia voasoratra, tsy misy ny ankamerim-botsotra. Niteraka savorovoro teo anivon’ny foloalindahy tamin’ny ankapobeny iny fanapahan-kevitra iny. Tsy nanafina ny alahelony amin’ny fanilihana azy an-tsokosoko ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, ary nanangam-peo ny tsy hiala mihitsy aza. Asa na izay no mampitarazoka ny famindram-pahefana eo aminy sy i Camille Vital, izay vao nakarina ho eo amin’ny grady jeneraly, vantany vao nampivady ny andraikitry ny Praiminisitra sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Mandrak’ity ny anio tsy tanteraka io famindram-pahefana io, ka mampieritreritra ny amin’ny antony nihazakazahana nanalana tamin’ny toerany ny jeneraly Rakotonandrasana Noël.

Tamin’ny fotoana nampahafantarana fa hiandraiketan’ny praiminisitra koa ny asan’ny minisitry ny fiarovana dia nandeha ny feo fa nikotrika fanonganam-panjakana no anisan’ny antony nanilihana an’ity jeneraly ity. Herinandro aty aoriana anefa, toa tsy re be tsy re kely ny amin’izany, na fanadihadiana na fampiantsoana indray maraina hakana ambavany aza tsy nisy, toa ny mifanohitra amin’izany aza no re. Toa nisy ny fihaonana mangingina teo aminy sy Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo. Anio dia toa ho anisan’ireo hihaona amin’i Camille Vital eny Mahazoarivo ny jeneraly Rakotonandrasana Noël. Inona avokoa no ao ambadik’izany rehetra rehetra izany, sa fampiharana ny lesona nomen’i Monja Roindefo tamin’ny volana oktobra 2009. Koa tsy ny teo ihany no miverina raha izany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT