Ny teo ihany no eo!

Iny izany izao dia vaky ambatolampy indray ilay fiara vaovao lafo


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

vidy be an’ny filoham-pirenena malagasy. Avo efatra heny amin’ny an’ny filoham-pirenena frantsay,

izay filohana firenena anatina firenena miisa 7 manan-karena indrindra eto ambonin’ny tany, ny vidiny. Izy amin’io filohana firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Nahagaga anefa fa nifanandrify tamin’izay koa dia nahoraka tampoka teo ny hoe saika lasibatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ilay filoham-pirenena malagasy. Tsy vao tamin’ity taona ity angamba no nahenoina sy nahalalàn’ny malagasy izany voambolana hoe fandrebirebena na «diversion» izany. Eo koa ny hoe fandrendrehana saim-bahoaka na «manipulation de masse». 6 taona fara-faha keliny izany voambolana rehetra izany sy ny endriny hita maso no efa tazan’ny vahoaka malagasy, indrindra, ireo mpanara-baovao, teny amin’ny fiarahamonintsika teny. Io izany hatramin’izao fa dia mbola mipetraka ihany ny ahiahy hoe mbola ho tohizan’ity fitondràna ity hatramin’ny farany ve ny fiononana amin’ny filalaovana serasera, ny fampirantiana hatrany ireo seho ivelany izay ny sehatra iraisampirenena mihitsy avy eo no mamaky ambatolampy azy fa tsy fandrosoana akory ilay izy. Io ny kianja Barea tsy nahazo fankatoavana. Ireny ny EPP sy hopitaly nolazaina hatramin’ny tetezamita fa manara-penitra kanjo hay nanara-pofona. Ny sasany nirodana am-pitoerana teo nefa nambara fa tranom-panjakàna vaovao manara-penitra. Inona moa izany no azo antenaina ao anatin’izany rehetra izany fa dia tonga amin’ilay ohatry ny manam-pahaizana britanika, Albert Ainstein, izay izy ity hoe aza manantena vokatra vaovao raha tsy manova fomba fanao? Madagasikara tsy maintsy mandroso no nampanantenaina saingy Madagasikara vao mainka miha gisitra ity no mitranga. Mba tsy hilazàna zavatra hafa dia andeha angamba atao hoe ny teo ihany no eo, hoy ilay tononkira iray izay!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT