Edito

Ny teny toy ny salaka


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Raikitra ny fampahatsiahivana ny fanambin’ny filoham-pirenena nataon’ny depiote iray tany Ambatondrazaka. Nofatoran’io olom-boafidy io tamin’ny teniny ny filoha Rajoelina tamin’ny fampanantenana nataony.

 

 

Tsy arakaraka ny fotoana nomeny ny fahavitan’ny asa nampanatenaina, ary misy mihitsy aza no toa tsy natao. Raha raisina amin’ny lafiny miabo, dia zava-dehibe aloha ny finiavana sy fijerena lavitra fa hanao zavatra. Miainga amin’ny vinavina vao afaka manatanteraka ny eretreritra ho lasa asa mivaingana. Nofaritana hatramin’ny daty hahavitan’ny asa. Ny valala tsy an-tànana anefa tsy atolo-jaza, hoy ny ohabolantsika. Eo no mety hitsaran’ny vahoaka hoe: azo hinoan-teny ve ny mpitondra antsika sa tsia. Ny teny tokoa mantsy toy ny salaka ny tena ihany no afatony. Efa tratry ny kihana mivaivay vao mikorapaka manao ny fampanantenana. Ilaina ihany izany ny kihana raha izany. Tsy vao izao rahateo no nahenoana fanomezana fe-potoana tahaka izany, raha tsy hilaza afatsy ilay orinasa famokarana “ethanol” nambara fa ho vita tamin’ny 8 desambra 2019 teo, kanefa tsy nisy akory. Raha miverina lavidavitra kokoa isika, dia ny “tramway” nambara fa efa any anaty sambo 9 taona lasa izay, saingy aiza akory izay eo? Nambara fa amin’ity volana febroary ity ny lohamasinina ka dia andrasana indray. Ekena ary tena hita fa te hanao zavatra ny mpitondra antsika, saingy izay tokoa angamba ilay hoe ny herintsaina misy dia misy fa ny hoza-pe no tsy maharaka. Inoana sy heverina anefa fa ny kihana samihafa mandeha, dia ho lasa fanoitra anankiray hanaitra ny fitondrana. Hahafahany manova famindra hahavitany zavatra tsara kokoa, hahafahany manatanteraka ny veliranony,… Lalànan’ny tany demokratika ny hoe: ny mpanohitra natao hanakiana ny heveriny fa tsy mety, ka asakasaky ny fitondram-panjakana raha handany ron-doha hanenjika sy hifampitandroka amin’ireny, na hanezaka sy handeha mafy hanao  zavatra tsara ka ho tankina ny vavan’ireny, ary ho tanteraka ilay tokoa ilay hoe: “ny mpanenjika tozoro afara”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT