Vani-potoana hitrangan-javatra tokony hahataitra ny fiarahamonina hitodika bebe kokoa amin’ny raharaham-pirenena sy ny hoaviny tahaka izao tokoa no manaporofo mivaingana fa mandalo ny teny.
Mora fakafakaina ny hevitr’io teny io rehefa mionona amina fifaninanana manao fanambarana toy izay mitranga ankehitriny fotsiny ireo izay afaka manao izany. Tafiditra ao anatin’izay avokoa ireo hery politika samihafa, sendika isan-karazany, indrindra ny vahoaka izay mionona amin’ny fimenomenomana. Ireo tsy mivaky loha amin’ny zava-mitranga moa izany dia mampametra-panontaniana hoe resy tanteraka ve sa tsy mbola nandalo izany tsy fisiana ka tsy manan-tsaina hieritreritra fa midika hoavin’ny tena anie ny hoavin’ny firenena fa tsy hoe mandeha ho azy akory ny zava-drehetra e ? Marina fa malaza ho firenen’ny teny (Civiisation du verbe) ny firenentsika fa tena hita koa anefa fa voizin’ireo mpanjanaka tokoa io kolontsain’io mba tsy hahatsapana hoe isika lany andro amin’ny resabe fa izy ireo kosa mitavana ny harentsika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.