Edito

Ny tarehimarika fotsiny no miova ?


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Ny taona vaovao tahaka izao dia fotoana fanombohan-javatra sy tetikasa na vina hiroso amin’ny tsaratsara kokoa. Fanamby lehibe ho an’ny isam-batan’olona,

ankohonana, tokantrano, eny fa ny firenena mihitsy aza. Mila fahaizana maka lesona tamin’ny lasa anefa ahafahana manatsara kokoa ny mety ho tsara vita teo aloha. Mitaky finiavana sy fikirizana mba tsy ho lasa revin-gadra sy nofy ririnina fotsiny ka sanatria ho ny tarehin-tsoratra 2022 fotsiny no niova ho 2023 fa ny lasi-tsaina hoenti-manatanteraka ilay fanamby vaovao mitovy ihany, hany ka lasa fanaovana ariary zato am-pandriana no betsaka. Mifankaiza amin’izany moa ny fomba fitantanana ankehitriny? Ilay mpitondra efa teo hatramin’ny 2019 ihany no mbola eo, ny fomba fiasany sy firesany ary fisainany efa hatramin’ny 2009 ihany no toa mbola entiny mandrak’ankehitriny. Velirano sy fampanantenana efa tamin’izany vanim-potoana izany ny sasany izay mbola tanisana handresen-dahatra ny vahoaka mba hinoan’ireo azy. Omaly hafa no lazaina, rampitso hafa no teniny, ary matetika mifanohitra tahaka ny atsimo sy avaratra. Anjaran’ny rehetra no mijery sy mitazana ary mandray lesona hoe: mbola fotoan’ny fandresen-dahatra ny valalabemandry ve izao fa hanao an’izatsy sy izaroa sa tokony ho efa fotoana hiotazana ny vokatry ny safidy politika? Raha efa nomena herijika nandritra ny 5 taona in-droa miditra na nisy elanelany aza ve ny mpitondra fanjakana iray sy antoko mpiara-dia aminy kanefa toa fihemorana no naterany satria izy efa tsy hiova sy tsy hanaiky ny lesoka ao aminy dia mbola antenaina fa hanao fahagagana amin’ny 5 taona fanintelony? Tsy misy olona iray handeha hilatsaka ho filoham-pirenena dia ny hoe: hamotika sy handrava an’I Madagasikara no tanjony. Matoa tonga amin’izay toe-javatra miiba izay dia efa izay no fara-fahaizany sy ny ekipany, asakasakasak’izay mbola mino sy mahatoky fa hisy ny fahagagana avy amin’izao fitondrana izao. Akoho tsy nananeo ohatr’izay efa lany kary e! Tanalahy very sampy ka tsy ny manova ve no mety!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT