Ny taona no mivalona, ny mpitondra tsy mahomby mitoetra !

Mivalona ny taona, ary fanao ny


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

manao tombana mikasika ny fahatrarana na

tsia ireo fanamby napetraka niainga tany amin’ny fiandohan’ny taona. Manan-kery amin’ny rehetra io satria tena mila mandinin-tena ny tsirairay hoe : inona no nety, inona ny tsy nety, inona no tsara mila tohizana sy hamafisina, inona ny zavatra tsy miteraka fahombiazana mila ovaina ? Tahaka izany ihany koa ny amin’ny lafiny politika sy fitantanana firenena fa tsy tokony handeha ho azy sy an-jambany. Tena manao izany ve anefa ny mpitondra antsika ankehitriny, mba tena mandinin-tena sy manao ilay antsoina hoe : « auto-évaluation » ka manao sivana ho an’ny tenany eo anatrehan’ny tsy fahombiazana maro lafy sa dia mandeha fahoany fahoany hatrany ? Matoa aloha tonga amin’izao toerana misy azy izao ny Firenentsika izay sokajian’ny mpandinika ho Firenena voalohany fadiranovana maneran-tany dia midika fa misy ny tsy fahombiazana. Ny zava-doza eto anefa, fady izany mpitondra eto hanaiky ny tsy fahombiazany sy hanitsy ny dia izany. Tsy afaka mandinin-tena sy miaiky ny fahadisoana fa mpanamarin-tena mandrakariva, hany ka zary mamotsy ny mainty no anton-draharaha fa tsy fiezahana hanitsy ny tsy mety. Minia mikipy eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka, hany ka lalaovina sy hararaotina amin’ny fahantrany ny Malagasy rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana. Miteny ny sehatra maro samihafa toy ny Firaisamonim-pirenena, Raiamandreny am-panahy, Fiangonana, antoko politika, vahoaka tsotra,… saingy izay rehetra fanehoan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny mpitondra dia atao fonosana iray sy sokajiana ho fahavalom-pirenena sy misakana fampandrosoana. Terena hisotro ny rano tsy tiana ny vahoaka Malagasy ka izao tsy fanjariana maro sosona izao no terena ho fandrosoana, ny mpitondra farantampony lazaina fa mpitarika mendrika indrindra aty Afrika kanefa ny Malagasy tarihiny voasokajy ho farahidiny maneran-tany. Izany ve tsy fanesoana manara-penitra. Ny taona no mivalona fa ny mpitondra tsy mahomby mitoetra. Anjaran’ny Malagasy no misaintsaina sy mandinika hoe : tena mbola zaka ve ny miaina an’izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT