Fetin’ny paska isika izao, ka tokony hisy ny fitoniana eto amin’ny firenena, raha tena olonkendry sy mitsinjo ny vahoaka Malagasy sy hamela azy ireo hifety am-pitoniana ny mpitondra sy ny mpanao politika.
Tsy izay no miseho fa toa vao mainka aza mafana ny toe-draharaha. Nifandramatra indray ny mpanongam-panjakana fahiny sy ny zaza navelany omaly. Niverina ny fomba fiadin-dRajoelina sy ny ekipany nandrara ny olona naongany tsy hiditra an-tanindrazana taorian’ny nandrombahany fahefana tsy ara-dalàna fahiny, ka namotika ny firenena izay tsy tafarina mandrak’androany. Indrisy fa izy indray ity no toa lasa olonkendry sy be moraly fa voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Tsy natao hanenjehana be fahatany na koa hoenti-mankahala olona satria tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena izany, kanefa ny tantara tsy mba fanadino ihany koa, hoy ny fomba fiteny. Aleo angamba hatao hoe rano raraka ireny, saingy indrisy fa rano raraka nandifotra sy nandetika an-dRamalagasy tany anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana sy fahasahiranana. Anatra ho an’ny firenena sisa, ary ny hirariana dia ny tsy hiverenany intsony. Fa etsy an-kilany, toa zavatra efa tsara omana sy tsara lamina izy ity ka tarihina ny rehetra hifantoka amina toe-javatra tsy dia manao ahoana toy ireny sy ilay resaka sarina depiote miboridana, dia variana sy lany andro amin’ny tsy misy dikany. Ny kajy maloto misoko miadana ihany, toy ity resaka lalàm-pifidianana miteraka adihevitra ity. Sao lahy ho variana amin’ny adin’akoho, ka hadino ny adin’ombalahy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.