Edito

Ny tantara no hitsara !


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Fomba fiteny malaza ny hoe : « aleo ny tantara no hitsara ». Tsara fipetraka amin’ny zava-mitranga eto Madagasikara ankehitriny io teny io.


Nanaratsiana, nanasoketana an’ilay iraika lahy teo aloha ny hoe lalana ve azo hohanina, izao velon-taraina ny rehetra fa hoe amboary ny lalana aty aminay, amboary ny tetezana. Mbola nanaovana resa-be teto koa ny hoe mivarotra tanindrazana sy manome vahana ny vahiny, voaendrikendrika tao anatin’izany koa ilay iraika lahy teo aloha. Nanomboka tamin’ny 2009 anefa no tena nangorona tany teto ny vahiny, na nanorina trano be io na nitrandraka harena ankibon’ny tany. Mitazam-potsiny na mba manao asa an-tselika amin’ireny Ramalagasy. Natao litania teto koa ny hoe didy jadona, tsy afaka maneho hevitra, antoko manjaka tokana ... Nirodana ihany io fanjakana io, fa ahoana moa ny zava-misy tato anatin’ny enin-taona ? Ilay nanokatra ny kianjan’ny demokrasia ihany no nanakatona azy vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana izy. Amin’izao fotoana, tendan-kanina be ny antokon’ny fitondrana. Nambara fa nofy antoandro miampy mino fotsiny ihany tsy ho lasa lavitra ny MAP tamin’izany fotoan’androny, ankehitriny anefa io ihany no natao kopi kolé. Dia izay tokoa angamba ilay hoe aleo ny tantara no hitsara e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT