Dia raikitra tokoa ilay fihaonana ho famahana ny krizy eto Madagasikara tanterahina any Gaborone.
Malagasy zato mahery no mifanaretsaka ao amin’ny hotely «Grand Palm», ka ny 55 amin’ireo no delegasiona ofisialy miatrika ny fivoriana karakarain’ny SADC any an-toerana. Andro faharoa ny anio. Tsy misy resaka sonia raha ny omaly. Tsy tratra ny tanjona ho an’ny FAT, izay niandrandra fa sonia sisa hatao dia miverina. Na ny Dr Leonardo Simao, izay any an-toerana na ny filoha am-perinasan’ny SADC, Hifikepunye Lucas Pohamba izay sady filohan’ny Repoblikan’i Namibia nitarika ny fivoriana, miaraka amin’ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ary ny politika eo anivon’ny SADC, sady filoha am-perinasan’i Zambia, Rupiah Banda dia nanambara tamin’ny lahateny fa tsy hanao sonia izany fotsiny no hatao fa hitady ny vahaolana maharitra.
«Tsy maintsy eken’ny rehetra ny tondrozotra mivoaka eo», hoy izy. Tsy nisy fanaovan-tsonia sisa fotsiny araka izay nampandriana adrisa ny vahoaka akory ny any Gaborone, ny mifanohitra amin’izay aza no hita, nolavin’ny SADC ny tondrozotran’ny Dr Simao. Nambara sahady nandritra io fotoam-panokafana io koa fa hivory indray ao Sandton Afrika Atsimo ny SADC amin’ny 11 jona izao, mba hankatoavana ny tondrozotra farany ifanarahana ifanarahan’ny rehetra hamahana ny olana. Koa dia mbola mitohy izany ny tantara !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.