Ny seza no lehibe indrindra

Tsy mbola nisy fitarainana mikasika ireo


  • Alarobia 06 Martsa 2024

lalana manerana an’i Madagasikara nihoatra noho izao angamba tato anatin’ny 15 taona farany.

Ny seza no lehibe indrindra izany aloha nefa hatreto ho an’ireo mpitondra sy mpiaradia aminy. Miharihary izany tamin’ireo tranga niseho hitam-poko hitam-pirenena tato ho ato. Miady mpiotifeo eny an-dapihazo sy imasom-bahoaka ireo olon-dehibe samy milaza ho mpanohana ny filoham-pirenena saingy hita ao ambadik’izay fa samy te ho lohany ihany koa. Tsy vitan’izay fa hatreny amin’ny haino aman-jery isan-karazany ihany koa no mampiseho ireo mahatsiaro ny tenany ho mpiara-mitolona tamin’ilay firenena fa leo an’ilay ahilikilika. «Frustré» moa no voambolana vahiny matetika heno tato ho ato. Tsy nahasakana ny biby hafahafa tsy handripaka ny biby fiompin’ny ambalambahoaka sy ireo isam-bahoaka tsy mandady harona. Tsy nanakana ny tsy fandriampahalemana hirongatra. Ny fako be mbola mitoby eny rehetra eny ihany aloha hatramin’izao. Mikatso daholo na dia ny ankapoben’ny fiainam-pirenena manontolo aza. Sosialy, toekarena, politika, tontolo iainana, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka omaly izay. Mba voatendry ihany aza ny filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo ary dia iny efa nampitolagaga ny mpandalo nanatri-maso rehetra iny sahady moa fa dia nirentirenty ny fiarabe maneno eraky ny lalana nanatitra azy tao amin’ny lapan’ny tanàna sy nody. Madagasikara tsy maintsy mandroso anefa no filamatr’ilay fitondrana amin’io ka dia asa aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT