Edito

Ny sandry no miresaka ?


  • Zoma 05 Septambra 2014

Mety fihetsika kely tsy voahevitra tahaka ny nataon’ilay lietna zandary nidaroka mpampianatra FRAM teny Anosy omaly ireny dia mety hitarika zavatra lehibe hanozongozona ny sezan’ny mpitondra

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

. Na inona na inona ambara dia mazava aloha izao fa tena miverina amin’ny heriny tanteraka ny herim-pamoretana eto. Sao dia adinon’ny Emmo Reg ary fa mpampianatra FRAM anie ireto mitokona ireto fa tsy dahalo ekipan-dRemenabila any atsimo e ! Efa ratsy endrika sy tsy tian’ny olona ilay fitondrana, mbola manondrana tahaka ireny ihany ny mpitandro ny filaminana ary any amin’ilay zavatra tena marary ny vahoaka madinika mihitsy no hanamparan’izy ireo ny heriny. Ny zanaky ny mpanankarena sy ny mpitonda ambony anie mianatra any amin’ny sekolim-bazaha matanjaka na any ivelany mihitsy e ! Fa ny zanaky ny malagasy maro an’isa sahirana ara-pivelomana no eny amin’ny sekolim-panjakana iandraiketan’ny mpampianatra FRAM. Dia tsy mba tonga ao an-tsain’ireo mpitondra fanjakana mihitsy ve izany fa fanaparam-pahefana sy fandrahonana ary fisamborana foana no mbola atao ? Tsy azo atao mihitsy ve ny mifampiresaka dia mikaroka vahaolana mety amin’ny rehetra ? Resaka fifampiraharahana, olona manan-tsaina sy manam-panahy daholo no hiresaka eo fa tsy sanatria biby romotra. Izao mantsy toa ny sandry no miresaka ! Hatrizay toa olon’ny fifampiresahana ihany ingahy minisitry ny fampianarana fa hatramin’ny naha HVM azy sy nahazoany toerana dia toa nivadika ny lehilahy. Tsy maintsy fifampidinihana sy fifampiresahana no hamahana olana fa tsy fampiasan-kery velively. Ka raha tena mpitondra hendry marina no misy eto dia hainy ny mandamina ireny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa ireny, fa akory atao moa rehefa tsy mahavita azy dia …mahaiza manaja tena miala e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT