Edito

Ny safidinao no hanavotra na handetika


  • Talata 06 Novambra 2018

Kihon-dàlana lehibe ho an’ny tantara ny fifidianana hataontsika rahampitso 7 novambra.

 

 Mety hivoaka eo izay ho filoha vaovao hitondra ny firenena, na koa mbola hiroso amin’ny fihodinana faharoa isika raha tsy misy mahazo antsasa-manila mahery. Any amin’ny olom-pirenena ny baolina, ary ny hirariana dia hifidy an-kahintsiny ny Malagasy, fa tsy sanatriavin’ny vava ho babon’ny haitraitra na ny fampanofinofisana azy tamin’ny fampanantenana poak’aty. Tsy hoe: manilika na manamaivana ireo kandida hafa sanatria, fa toa efa hita taratra ihany ny sarisary mety hiseho. Tsikaritra ho mitodika any amina olona roa na telo efa nitondra ny firenena aloha ny fientanan’ny olona, raha notarafina tamin’ny propagandy. Samy nanezaka tamin’ny fampielezan-kevitra rahateo ireo, fa dia anjaran’ny tsirairay no mitsara hoe: inona no nataon’ity kandida ity teto amin’ny firenena? Niiba sa niabo ny vokatra azony tamin’ny fitantanana an’i Madagasikara? Iza no nanasoa ary iza no namotika izay efa nitsangana teto? Tsy asiantsika fanononana kandida mba ho fanajana ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra, fa ny olona namafy vola tsy toko tsy forohana hividianana ny safidim-bahoaka ve ho azo antoka fa tena hitsinjo ny Malagasy sa hanonitra izay laniny sy hampitombo ny ambaindahin’ny harenany, izay tsy mba ny mpiray tanindrazana no misitraka azy? Ny afera maloto any ivelany any mbola laza ratsy iray hafa ka olona tahaka izany ve ohatra no heverina fa hampandroso tokoa an’ity tanindrazana mamintsika ity? Fotoana farany hahafahan’ny tsirairay mbola misaintsaina ny anio, ka ny hirariana dia ny hoe tsy ho diso safidy isika Malagasy, ka hametraka tena olom-banona afaka manarina sy mitarika ny firenena sy ny vahoaka sy ny firenena ao an-davaky ny famotehana natao teto, fa tsy sanatria ho babon’ny lemilemin-dradity ka ho voafandrika sy hijoboka araka ny tenin’ny tanora.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT