Edito

Ny omaly tsy niova !


  • Talata 21 Aprily 2015

Zary lasa hanihany ifanaovan’ny olona eny rehetra eny amin’izao fotoana ny hoe : fa misy mpitondra ihany ve eto e ? Fa mbola tetezamita moa ve no iainantsika izao ? Tsy nahatsapa fiovana ny olona matoa miresaka tahaka izany, ny hita aza dia vao miha lafo ny vidim-piainana, ary nitotongana ny sandan’ny vola malagasy

 


. Mahatsiaro sahirana ny isan-tokantrano, ny ririnina ity ho avy, maro koa ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana vita izay dia efa hieritreritra amin’ny vola tsy maintsy tadiavina hampidirana ny mpianatra amin’ny volana septambra sy oktobra ireo ray aman-dreny. Ny resaka raharaham-pirenena anefa ity toa mampanahy be ihany, hisy ihany ve ilay fifidianana sa tsia ? Hilamina ve aorian’ilay fifidianana raha toa ka tanteraka ihany ilay izy ? Ahoana ity fampihavanam-pirenena toa mandrianga ity fa ankolafy politika 3 amin’ny 5 no nisitaka ary tsikaritra ho  manao tazan-davitra fotsiny ny sehatra iraisam-pirenena kanefa tany am-boalohany nanome toky fa hanampy ara-bola sy ara-pitaovana. Inona no dikan’izany fiovana tampoka izany indray ? Ny resaka famatsiam-bola avy any ivelany aloha dia nijanona ho fanambarana fa hatreto tsy misy izany vola azo izany. Ny omaly tsy niova no misy e ! Ary mety ho ratsiratsy kokoa aza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT