Ny andro sy ny daty no miova fa dia tahaka ny omaly ihany ny anio sy ny rahampitso raha ny fahitana ny fomba fiasan’ny HAT. Voaporofo isan’andro izao fa dia tena fitondran’ny akamakama no mijoro eto, tsy misy zava-baovao sy tranga manaitra intsony fa dia mihodikodina eo ny fandehan-javatra.
Ireo namana mahatoky ihany no tendrena, tsy hita akory izay hoe governemantan’ny fisokafana nodradradradraina tato anatin’ny herinandro izao, resaky ny mpianakavy e ! Miha resy lahatra ihany ny olona fa tena tsy misy izany fitiavan-tanindrazana izany mihitsy ao am-po sy ao an-tsain’i Andry Rajoelina, fa raha nisy pitiny kely tamin’izany dia efa ela ihany izy no niova faomba famindra. Sa ve voatery tsy maintsy miroso izy fa tsy afaka ny mihemotra intsony, satria efa nandray zavatra sy nanome toky tany ambadimbadika tany ? Tsy any amin’ilay hoe fanoloana tompon’andraikitra ny olana fa ilay hoe : tompon’andraikitra hanao inona marina moa ireto tendrena sy soloina ary ampifamadihana toerana isaky ny mihetsika ireto e ? Efa nisinisy ihany anie izay fihetsiketsehana nataon’ny HAT izay fa tsy mbola nisy nahitam-bokany mivaingana, ary misy fiantrainkany tsara any amin’ny fiainam-bahoaka e ! Ankoatra izay dia tsikaritra fa tsy misy asa mirindra mihitsy ao anatin’ity governemanta ity, ny minisitra sasany moa dia mandany andro mitety faritra sy manangana ny antokony ; eo koa ny sasany izay miezaka ny manadio ny tenany manolona ny mety ho filatsaky ny sazy. Araka ny resaka mandeha aza, dia misy tompon’andraikitra sasany mitady ny tetika rehetra haminganana ny mpiara-miasa aminy mba hahazoany ilay toerana. Ny fivoahan’ny volam-panjakana amin’izany efa tena mampanahy be ihany. Ekena fa misy ny fanadihadiana ataon’ny inspection générale de l’état amin’izao fotoana, saingy raha ny fahitana azy dia somary misy ambadika hafahafa ilay izy fa tsy fanadihadiana tahaka ny fanadihadiana rehetra. Mety hanao fanambarana amin’ity anio ity i Andry Rajoelina, ka dia samy miandry indray ny rehetra hoe , inona no hopasohana na hohamafisiny eo indray ? Efa samy resy lahatra mantsy ny rehetra fa tsy hisy zava-baovao, fa dia hoe ny fifidianana solombavambahoaka no vahaolana mety indrindra, efa miroso amin’ny fanatsarana ny fiainana isika amin’ny alalan’ny asa ka tsy misy fotoana holaniana amin’ny adihevitra politika intsony ; na koa ny hoe : te hiasa mafy anie ny tetezamita fa misy ireo misompatra azy e ! Tahaka izany mantsy tato anatin’ny 11 volana izao no kabary mahazatra ny sofin’ny Malagasy. Eriteretina ihany koa fa mety hanao antso avo amin’ireo firenena vahiny indray ny filohan’ny HAT mba tsy hanao takalon’aina ny Malagasy ka hamerina indray ny fanampiana. Dia samy miandry izany, na dia mahakely finoana ihany aza ny zavatra mety hambara. Miandry fa gasy e ! Miandry hatramin’ny rahoviana anefa … ? Misy farany zavatra rehetra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.