Edito

Ny omaly tsy miova


  • Alatsinainy 13 Jolay 2020

Samy niandry izay ho valan-dresaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy omaly hariva.

 

 

Zava-dehibe ny fanehoana, fa miasa sy manao ny ezaka amin’izao ady lehibe hatrehina izao ny mpitondra. Tsy miala amin’ny fomba firesany, miezaka manenjika ny hafa, tsy manaiky ny mety ho fahadisoany,.... Ny fitanisana ny heveriny fa fahadisoana sy azo hanenjehana ny teo alohany no entiny manadio ny tenany. Fampiombonana, vahaolana mivaingana no andrasana saingy mbola miharihary hatrany ny finiavana handoka tena, handoka ny fanjakana tarihina ho tena manao ny mety sy ny tsara. Ny kabary sy dokam-barotra tsy miala mihitsy. Matoa mandeha ny kihana samihafa, dia misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ao. Tsy mila mandoka tena, tsy mila manao dokam-barotra, tsy mila manaratsy ny hafa,… ny Filoha sy ny ekipany dia manaraka azy ho azy eo ny vahoaka raha tena mety sy araka ny filan’ny Malagasy ny tolotra omen’ny fitondram-panjakana ny valalabemandry. Tsy propagandy intsony no ilaina sy hakana ny fon’ny vahoaka fa miainga amin’ny asa atao ho famahana ny olany, ny fahitsiana sy mangarahara asehon’ny fanjakana,… Ny teny, toy ny salaka, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy, ka ny tena ihany no hafatony. Matetika no handrenesana teny mifanohitra ambara, ka hafa no lazaina anio, ary hafa rahampitso, hany ka tsy mino intsony ny olona. Hafa no lazain’ny tena, ary hafa no lazain’ny ekipa ao anaty fanjakana, toy ny resaka fiara nandanian’ny fanjakana vola araka ny tenin’ny Filoha omaly, kanefa ny minisitra ao anaty governemantany nandany rora niaro fatratra ny fanjakana fa tsy novidiana izany ireo fiara tsy mataoho-dàlana be dia be ampiasaina amin’ny coronavirus. Na nohabadoina hatry ny ela aza ny vahoaka Malagasy dia inoana fa mba afaka mandanjalanja ireny resaka samihafa ireny. Manaraka sy mankatoa ny mpitondra ho azy, raha tena mijery ny mahasoa ny valalabemandry ny mpitondra, madio fo, mahitsy, mangarahara, tsy mivadibadi-dela, mahalala ny marary ny valalabemandry,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT